
Lasa resabe sahady, ankehitriny, ny fanitarana ireo lalana eto Antananarivo. Manahy amin’ny fandrodanana indray ireo mpivarotra etsy amin’ny Pochard.
Kajikajin’ny mpanao politika tato ho ato ny fampandrosoana amin’ny alalan’ny fanavaozana ireo fotodrafitrasa maharitra eto an-tanàna. Laharam-pahamehana voalohany amin’izany ny lalana. Izao volana septambra izao, hanomboka ity asa lalana ity. Raha ny eto an-dRenivohitra manokana, kendrena hahazaka zotra efatra ny avy eny Ankorondrano mipaka eny Besarety. Hohatsaraina ihany koa ny lalana miainga eny Ivato tonga eny Alarobia, ary Soavimasoandro mihazo an’Ankazomanga.
Lasa resabe anefa ny fanatanterahana ny asa satria maro ireo mponina mipetraka manamorona ny arabe tsy manaiky velively. Voalaza mantsy fa hanesorana fito metatra ny sisin’arabe hampalalaka ny fifamezivezena sy ny fifamoivoizana. Antony tsy hankatoavan’ny mpivarotra etsy amin’ny Pochard ny fandrodanana ny tamboho. Korontanina, hoy izy ireo, ny mpivarotra anelakela-trano kanefa tsy maintsy hihatery ny tsena ka hiparitaka ny mpivarotra.
Vary mangatsiaka
Navitrika tokoa ny mpanamboatra lalana teny Soavimasoandro, ary nanantena fatratra ny olona fa ho afa-pahasahiranana amin’izay amin’ny lavadavaka sy ny fotaka rehefa fahavaratra. Nifamadika tamin’izany anefa, raha ny zava-misy eny an-toerana amin’izao no jerena. Nametra-panontaniana daholo ny olona ny amin’ny mety ho anton’ny fijanonan’ny asa sahady. Voatototra ny lavaka ary voararaka tany ny lalana, nefa nitsahatra ny angady nony avy eo. Inoana kosa anefa fa mandeha ihany ny famatsiam-bola.
Manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra ireo mponina manodidina an’Ambatolampy Tsimahafotsy sy Laniera, araka izany, satria vao mainka ratsy endrika ny tanàna, hoy izy ireo. Hanatona izay nitarika ny fanamboarana ihany koa ny mponina hamita hatramin’ny farany izay efa natomboka. Ny asa vita ihany koa no hanomezan-karama!
Hajatiana R.