
Ramanoelina Panja, izy ihany no hitantana ny oniversiten’Antananarivo araka ny lany nandritra ny fanosam-bato natao omaly.
Fantatra omaly hariva taorian’ny fanisam-bato natao teny Ankatso fa lany hitantana ny oniversiten’Antananarivo mandritra ny telo taona manaraka indray, Ramanoelina Panja, efa filoha teo aloha. Nahazo ny 52% tamin’ireo mpampianatra izy ary 55% avy amin’ireo mpandraharaha. Mitontaly 380 kosa ireo mpampianatra rehetra eny amin’ny oniversite.
Naharesy lahatra ireo mpifidy ny tetikasam-pampandrosoana nentiny. Anisan’izany ny fanavaozana ny fomba fiasa, hanomezan-danja ny fifampiresahana amin’ireo mpiara-miasa sy ny asa ao anaty mangarahara.
Ankoatra izany ny fametrahana laharam-pahamehana ny oniversite tsara tantana ary indrindra ny fanofanana sy fikarohana tokony hamafisina.
Anisan’ny nametrahan’ity filohan’ny oniversite vaovao ity fanamby ihany koa ny fanafainganana ny fidirana amin’ny rafitra LMD.
Betsaka koa anefa ny asa miandry ity filoha ity amin’ireo disadisa eny an-toerana. Anisan’ny andrasan’ny mpianatra aminy ny ady amin’ny fahataran’ny vatsim-pianarana, matetika mitarika ho amin’ny fitokonana ary miteraka herisetra eo amin’ny mpianatra sy ny mpitandro filaminana.
Ny mpandraharaha ihany koa manantena fa tsy ho tara intsony ny fandoavana ny karaman’izy ireo ka hiady ho amin’izany ny filoha vaovao. Mikatso tanteraka ny fampianarana eny amin’ny oniversite rehefa mitokona noho ny tsy fahazoana karama ireo mpandraharaha.
Toraka izany ny mpampianatra, manana ny fitakiany tsy mbola voavaly ary saika nitarika ho amin’ny taona fotsy mihitsy tany aloha.
Tatiana A