Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Ho avy hatramin’ny alahady ny orana : loza mitatao ho an’Antananarivo amin’ny fiakaran’ny rano

$
0
0
Rano 12 jan

Misy loza manambana amin’ny kaominina 11 eto Antananarivo sy ny manodidina andalovan’ ny reniranon’i Sisaony, vokatry ny firotsaky ny orana indray tao anatin’ny ora maromaro, araka ny filazana ny fandehan’ny renirano eto amin’ny lemak’Antananarivo avy amin’ny Apipa, omaly hariva. Voakasik’izany ny kaominina Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, Ampitatafika, Ambavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Fiadanana ary Ampangabe. Mbola hitohy hatramin’ny alahady ny orana saika manerana ny Nosy. Mba ialana amin’ny loza, manome toromarika vitsivitsy ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro eny Ampandrianomby. Tokony hiala lavitra ny varavarankely, indrindra rehefa mikotroka ny andro. Tsy tsara ny mandro isorohana ny herinaratra ary fadina ny mampiasa finday.

Niakatra ny haavon’Ikopa eny Anosizato tao anatin’ny fito ora ary mbola hiakatra mandritra ny 12 ora manaraka. 0,95 m Ikopa eny Anosizato. Niakatra koa izy eny Bevomanga tao anatin’ny fito ora, ary hitohy ho an’ny 12 ora manaraka. 3,05 m ny haavony eo Bevomanga. Niakatra koa i Sisaony tao anatin’ny fito ora, 2,85 m izy eo Ampitatafika, hitohy ny fiakarany ho an’ny 12 ora manaraka. Nahitana fiakarana koa ny haavon’Imamba eny Ambohidroa nandritra ny fito ora.

Mbola hitohy mandritra ny roa andro ny rotsak’orana ary hahatratra hatramin’ny 100 mm ao anatin’ny 24 ora ho an’ny faritra Atsinanana, araka ny fanambaran’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro. Ahina noho izany ny fiakaran’ny renirano sy ny fihotsahan’ny tany. Mila mailo, araka izany, ny mponina any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany, Alaotra Mangoro, Atsinanana, ary ny distrika amin’ny ilany atsinanan’ny afovoan-tany satria nahazo filazana mena na loza mihatra avy hatrany . Nahazo filazana loko mavo, loza mitatao ny faritra Analanjirofo sy Atsimo Atsinanana.

 

Nifandimby ny fifamoivoizan’ny fiara teny Tanjombato

Nentin’ny rano ny gony nisy fasika natao amin’ny fefiloha niaro ny arabe eny Tanjombato vokatry ny herin’ny ranon’Ikopa, omaly. Vokany, matahotra ny hihotsahan’ny arabe ny mpitondra fiarakodia ka natao mifandimby ny fivezivezen’ny fiara amin’ny arabe, izay tokony hahazaka fiara manao laharana roa mifanena raha ny tokony ho izy. Niteraka fitohanana lehibe ho an’ny fifamoivoizana teny an-toerana izany, omaly.

Vaky koa ny fefiloha eny Belanitra, kaominina Sabotsy Namehana omaly maraina tokony ho tamin’ny 1 ora. Maro ireo tanimbary tototry ny rano izay simba tanteraka ny fambolena teo aminy. Hanomboka anio ny fanarenana ity fotodrafitrasa simba ity, araha ny fanazavan’ny tomponandraikitra eny an-toerana.

Vonjy


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>