Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Distrikan’i Tsihombe : 66.000 ireo ankizy kendrena ho vita vaksiny polio

$
0
0
Tsihombe

Notanterahina tany Tsihombe, omaly, ny fanokafana ny hetsika nasionaly ho fizarana maimaimpoana ny ady amin’ny aretina lefakozatra. Tsy hifarana ny hetsika raha tsy amin’ny zoma 18 septambra izao.  Nanotrona izany tany an-toerana ny filoham-pirenena mivady Rajaonarimampianina Hery. Nahitana trangan’aretina lefakozatra tao Tsihombe ny volana jona lasa teo. Lasibatra tamin’izany ny ankizy roa tao an-tanàna ary roa hafa tao amin’ny kaominina Marovato.

Efa nisy ny fizarana vaksiny nataon’ny fanjakana ny volana aogositra teo, saingy tsy nahasahana ny filan’ny mponina izany noho ny tsy fahampian’ny mpanentana ara-pahasalamana, raha ny fanazavan’ny lehiben’ny mpitsabo ao amin’ny distrikan’i Tsihombe, ny Dr Sambo.

Mpiasan’ny fahasalamana iray misahana ny fizaham-pahasalama sady miandraikitra ny fizarana vaksiny. Mivelatra amin’ny kaominina sy tanàna marobe anefa ny ankizy tokony hizarana izany vaksiny izany. Manampy trotraka ny tsy tsy fahatomombanan’ny fahadiovana vokatry ny tsy fahampian’ny toeram-pivoahana sy toeram-pidiovana ao an-tanàna. Eo indrindra koa ny fahalotoan’ny rivotra vokatry ny fanaovana maloto ankalamanjana.

Ho an’ny distrikan’i Tsihombe manokana, 66.000 ireo ankizy latsaky ny 15 taona kendrena hatao vaksiny.

Manodidina ny 668 kosa ireo mpanentana ara-pahasalamana  ary 155 ny ekipa misahana ny vaksiny hiandraikitra ny fizarana vaksiny amin’ny fokontany miisa 334 ao amin’ity distrikan’i Tsihombe ity.

Tatiana A


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986


<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>