Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Lozam-pifamoivoizana teny Ambohimangakely : roa lahy maty tsy tra-drano nofaohin’ny kamiaobe

$
0
0
VENTREtaratra

 Kamiaobe iray tapaka ”frein” no fototra nahatonga ity loza nahatsiravina, nitranga teny Ambohimangakely, ny alakamisy teo ity. Tsy tafajanona rehefa avy nandona fiara sprinter iray izy io, ary nifaoka ireto roa lahy teo am-piandrasana taxi-be, izay maty tsy tra-drano. Nisy olona iray hafa koa naratra mafy.

Araka ny fanazavana voaray, avy aty an-dRenivohitra ilay kamiaobe ary hihazo an’Ambohimangakely. Tapaka tampoka anefa ny frein-n’izy io raha iny nahazo ny  fidinana eny Ikianja iny. Tsy voafehin’ny mpamily intsony ny fiara ka nandona Sprinter iray nijanona teo amoron-dalana. Potika tanteraka ny ilany havia amin’ilay Sprinter. Mbola nifaoka ireo roa lahy niandry taxi-be koa ilay kamiaobe ka maty teo no ho eo izy roa lahy. Tsy nety nijanona mihitsy anefa ny fiara satria mbola nandona andrin-jiron’ny Jirama sy balise teny amin’ny sisin-dalana ary ny niafarany, nifatratra tamin’ny tambohon’olona. Teo vao tafajanona ity kamiaobe namoa-doza ity. Ankoatra ireo roa lahy maty, nisy olona iray hafa naratra mafy niara-nofaohin’ilay kamiaobe niaraka tamin’ireo roa lahy namoy ny ainy.

Naratra mafy ny mpamily ka nalefa ao amin’ny hopitalin’Ambohimangakely niaraka tamin’ilay olona iray hafa naratra mafy.

Nisesisesy ny lozam-pifamoivoizana…

 

Nanao tohivakana ny lozam-pifamoivoizana teto an-dRenivohitra sy ny manodidina, indrindra ny teny amin’ny lalam-pirenena, ny alakamisy teo hatramin’ny omaly. Tsy ny fiara ihany fa marobe koa ireo môtô nisetrasetra teny an-dalana hany ka loza no niafarany. Fiara Toyota an’ny Présidence no nivarina an-tanimbary teny Androvakely Ankadimbahoaka, afakomaly maraina. Voalaza fa nandeha mafy ity fiara, kanjo nifanena tampoka tamin’ny fiara iray. Niala izany ilay mpamily ka tsy nahafehy ny familiana ka nivarina tany an-tanimbary avy hatrany. Samba tanteraka ilay fiara.

Môtô Scooter iray koa no nifandona tamin’ny taxi-be 133 teo amin’ny rond point Andavamamba, omaly antoandro. Vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza teto.

Tany Toamasina koa, vehivavy iray 23 taona matin’ny lozam-pifamoivoizana, 4 mbola miady amin’ny fahafatesana ao amin’ny hopitalibe Toamasina. Taksiborosy iray an’ny kaoperativa iray eny Ambodivona no namoa-doza tao Depot Toamasina tamin’ny 2 ora maraina.

Na eo aza ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny hisorohana mba tsy hisian’ny loza, tsikaritra fa maro ireo olona no manao antsirambina ny lamina sy ny fandrindrana ataon’ireny mpitandro filaminana ireny. Mihevitra rahateo ny ankamaroan’ny olona sasany fa fety ny andro dia samy manao izay tiany hatao. Tsy misy intsony ny fanarahana ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana hany ka loza no iafarany. Nohamafisin’ny manamboninahitra polisy iray fa ny môtô no isan’ny lohalaharana amin’ny fanaovana lozam-pifamoivoizana eto an-drenivohitra.

J.C

Cet article Lozam-pifamoivoizana teny Ambohimangakely : roa lahy maty tsy tra-drano nofaohin’ny kamiaobe est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986


<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>