
Feno iray volana amin’ny 22 desambra izao ny nihazonan’ ireo jiolahy tsy fantatra an-keriny an’ i Arnaud sy Annie, zanaky ny mpandraharaha ara-toekarena, Ramialison Arland. Voalaza fa eto an-dRenivohitra ny atidoha, misy olona ambony sy mpitandro filaminana. Mandeha ny fanadihadiana…
Hatreto, efa nahatratra hatramin’ny 50 mahery ireo tokantranon’olona heverina ho ahiahina amin’ ity raharaha ity, nosavaina raha efa ampolony maro kosa ireo olona nanaovana famotorana teo anivon’ny sampana iray voatokana « cellule d’enquête” » izay iraisan’ny polisy sy zandary ary eo ambany fitarihan’ny mpampanoa lalana ambaratonga volaohany ka ny mpampanoa lalana lefitra, Vahiny Yvi Sandro, no mitarika izany.
Mivoaka tsikelikely ny marina momba ny resaka kidnapping ao Toamasina, izay misy ifandraisany tamin’ilay fakana an-keriny tany Sambava ihany koa. Fantatra izao, araka ny loharanom-baovao akaiky ny raharaha, fa misy olona telo eto an-dRenivohitra anisan’ny atidoha amin’ity fakana an-keriny ity. “Misy olona ambony amin’ireo, misy mpitandro filaminana ary arahi-maso amin’izao fotoana izao”, hoy ny fanazavana. Voalaza fa hita tamin’ny alalan’ny fifandraisana an-telefaonina ny laharana maro sy ny resaka nifanaovan’ireo olona ireo. “Nisy ny fampiasana teknolojia, iaraha-miasa amin’ny Frantsay izay tsy nampoizin’ireo olon-dratsy ka anisan’ny nahafahana sy nahitana ny toerana misy ireo mpaka an-keriny”, hoy ny fanamafisana. “Ny sasany amin’ireo voasambotra, tratra, 5 minitra taorian’ny antso nataony. Hatramin’ny lalana nalehan’ireo olona ireo, hita avokoa ary tonga hatrany Antananarivo ireo. Antso amin’ny finday efa anjatony no tratra”, hoy ny fanazavana ihany.
Nisy gadra any am-ponja
Araka ny vaovao voaray ihany, nahitana ireo efa mpamerin-keloka, gadra noho ny kidnapping ihany, amin’ity tao Toamasina ity. “Nisy amin’ireo olona voasambotra ary naverina any am-ponja”, hoy ny filazana. Raha ny fantatra ihany koa anefa, nisy tamin’ireo olona nanao ity kidnapping azy mianadahy ity, mbola gadra tazonina any am-ponja. Hita tamin’ny alalan’ny antso amin’ny finday izany. Nisy avy any anaty fonja ny nivoahan’ny resaka sasany. Rehefa narahina anefa, hita tao ihany ireo gadra, izay efa mpanao kidnapping raindahiny. Misy ifandraisany amin’ilay mpandraharaha fonja nosamborina?
4×4 tratra omaly
Tratra omaly kosa ilay fiara 4×4 an’ny rain’ireo zaza mianadahy, nentin’ireo jiolahy nitondrana nitsoaka azy ireo. Tao amin’ny trano iray tany Valpinson no hita izany, izay efa novana loko sy novana laharana fiara avy aty Antananarivo. Olona iray voasambotra, ary telo hafa karohina niaraka amin’ireo jiolahy ireo.
Miara-miasa ny polisy sy ny zandary manao ny fanadihadiana lalina. Mbola tsy votsotra ireo mianadahy, na efa maro aza ireo trano nosavaina. Misy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny fokonolona sy ny fametrahana laharana maitso 032.90.271.79 ahafahana manome vaovao. « Tsy hisafidianana olona sy sokanjin’olona ny fisamborana sy fisavana trano fa izay hahazoana loharanom-baovao ka voadiniky ny « cellule » manokana, azo tanterahina avy hatrany ny fisamborana na koa fisavana trano mba hialana amin’ny fiahiahian’ny mpanome vaovao », hoy ny lehiben’ny mpampanoa lalana ambaratonga voalohany fitsarana Toamasina, Lauret Rajaona Thierry. Andanin’izany, nilaza ny rain’izy mianadahy, Ramialison Arland, fa diso safidy ihany ireo mpaka an-keriny satria tsy manana ilay volabe tadiavin’ireo jiolahy izy. “Miangavy re, mba avotsory ireo zaza ireo”, hoy izy.
Yves S. sy Sajo
Cet article “Raharaha Kidnapping Toamasina” : eto Antananarivo ny atidoha, misy mpitandro filaminana est apparu en premier sur NewsMada.