![]()
Naneho ny heviny ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra sampana Antananarivo (Seces) manoloana ny zava-nitranga tey amin’ny Oniversiten’Ambohitsaina sy ny tranon’ny mpianatra ny talata teo. “Milaza ho ren-tany ho ren-danitra izahay fa tsy mendrika ny toeran’ny mpitandro filaminana (EmmoReg) ny fanaovana amboletra niditra sy nanao tery setra tamina mpianatra, indrindra vehivavy tetsy amin’ny Esplanade […]