Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Asan-jiolahy an-drenivohitra : miharatsy ny faritr’i Behoririka

$
0
0
DSC_8127

Sahy manendaka imasom-bahoaka mihitsy ny tontakely eto an-drenivohitra, ankehitriny.

Voany teo ambany tetezan’i Behoririka ny tovolahy iray ny harivan’ny zoma lasa teo. Sady naratra vokatry ny tsindrona zava-maranitra no very fananana tao anatin’ny indray mipi-maso izy tamin’io fotoana io. Teo am-pamonjena ny toeram-piantsonan’ny fiara mpitatitra olona teo ambany tetezana indrindra izy, araka ny fitantarany, no notomorin’ny andiana tovolahy, nanery azy hanome izay rehetra tany aminy. Natoky ny heriny a0nefa izy ary tsy nanaiky lembenana ka nampahitain’ny jiolahy faisana. Daroka sy tsatoka zava-maranitra nisesy anefa no setrin’ny fanoherany ka nampitrosina azy tamin’ny tany mihitsy nialohan’ny nahafahany nitsoaka nankeo am-pototry ny jiro nisy mpivarotra. Lasan’ny mpanendaka tamin’io fahavoazany io ny pasipaoro tokony hampiasainy amin’ny diany hivoaka any ivelany afaka telo andro, ny vola an-tapitrisany sy ny finday avo lenta, ankoatra ny solosaina entin-tànana nentiny nody avy tany am-piasana sady mbola misy asany.

Sahabo ho tamin’ny fito ora hariva no nitrangan’izao asan-jiolahy teo Behoririka izao. Tanatin’ny fotoana naha betsaka ny mpivezivezy sy mpiandry fiara fitateram-bahoaka tokoa nefa tsy nahasakana ireto mpanendaka ireto, handroba izay nilainy teny amin’ny hazany. Tsy nisy sahy niditra hamonjy ilay tra-pahavoazana rahateo ny nanatri-maso noho ny fahatahorana ny fitaovam-piadiana fampiasan’ireo jiolahy amin’ny tranga toy izao.

Faritra tsy lalovan’ny mpitandro filaminana loatra iny làlana Behoririka sy Andravoahangy iny ka tokony samy hitandrin-tena ihany ny mpampiasa azy.

Manou


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>