
Manao ezaka lehibe amin’ny fananganana akany fitaizana zaza kamboty ny andiany faha-19, Tsiry, tao amin’ny Akademia miaramila. Ho an’ny zanak’ireo rahalahiny lavo am-perinasa izany. Nanolotra fitaovana ho an’izany akany izany, io andiany faha – 19 io, eny Antsahasoa Ambohijanaka sy any Arivonimamo, ny 13 sy 14 desambra 2016. Tanjona ny mitaiza, manabe sy mikolo mba tsy hahavery anjara ireo zaza ireo.
Tsy vitsy ireo sy zandary sy miaramila lavo an’ady ho an’ny tanindrazana. Namela zaza kamboty izy ireny ka mba ho fitsinjovana ny ho avin’ireny ankizy ireny, mahatsiaro ho manana adidy ny Andiany faha-19, manampy amin’ny fanabeazana sy fitaizana ireo zana-drahalahiny ireo. Nanangana akany ho an’ny zaza kamboty, navelan’ny zandary, any Arivonimamo ireo nisafidy niditra any amin’ny zandarimaria, izay notokanana ny taona 2013. Amin’izao fotoana izao, ahitana ankizilahy 27 sy ankizivavy 20 ao amin’io akany io. Mpianatry ny EPP, CEG sy lycée izy ireo. Mpanabe azy ireo ny zandary 11 sy sivily valo. “Mandray andraikitra feno ho fampandehanan-draharaha ato amin’ny akany ny zandary rehetra”, hoy ny kapiteny Rakotoarivony Arsène, lehiben’ny akany.
Ordinatera 10, milina fanjairana 10, kidoro 20
Ao ny fanomanana azy ireo hiatrika ny hoaviny. Maro ny ankizilahy maniry handimby an-drainy, efa nisy tafiditra any amin’ny sekoly fianarana zandary. Samy notolorana ordinatera 10, milina fanjairana 10 sy kidoro 20 ny akany roa. “Amin’izao fivoaran’ny fifandraisan-davitra izao, manampy betsaka ny ankizy ireo ordinatera ireo, koa tonga amin’ny faniriany izy ireo ; toy izany koa ny fanazarana tsikelikely hahay hikarakara ny fitafiany na ho mpanjaitra matihanina any aoriana ; zarina amin’ny fahaizana mamboly, toy ny efa atomboka ato amin’ny akany koa izy ireo”, hoy ny kapiteny Rakotoarivony Arsène.
Ireo miaramila tao amin’ ity andiany faha-19 ity kosa, vao nanangana ho an’ny zanaka miaramila eny Antsahasoa. Mbola tsy misy ankizy. Trano iray ny efa vita fa mbola hampiana miandalana izany hitovy amin’ny eny Arivonimamo, ahitana trano fatoriana, fisakafoana, fianarana ary fialamboly. Ankoatra ny ezaka mivantana avy amin’izy ireo, ho fampandehanan-draharaha, ao koa ireo malala-tanana manampy ho an’izany.
R.Mathieu