
Mitentina 4 miliara Ar ny vola takin’ireo jiolahy naka an-keriny ankizy mianadahy metisy sinoa tao Tanambao Morarano Toamasina, omaly maraina. Mbola any am-pelatanan’ireo jiolahy izy mianadahy…
Nitrangana kidnapping indray tetsy amin’ny tetezana Tanambao Morarano Toamasina omaly maraina tamin’ ny 6 ora sy 45 mn. Ankizy mianadahy 14 sy 17 taona zanaka metisy sinoa mpandraharaha fanta-daza tamina raharaha Andramena tao amin’ ny distrikan’i Maroantsetra no sady tompona radio tsy miankina iray eto Toamasina sy ao Maroantsetra ireto nisy naka an-keriny ireto. Naterin’ny mpamily handeha hianatra izy mianadahy no nifanehatra tamin’ireo jiolahy. Araka ny loharanom-baovao, nandeha fiara 404 baché ireo jiolahy ka nosakanan’izy ireo teo amin’ny tetezana feno mpivarotra etsy Tanambao Verrerie ny fiara nitondra azy mianadahy ary navoakan’ireo jiolahy mitam-piadiana mpaka an-keriny ilay mpamily ka nentin’izy ireo ilay fiara misy ny zanak’ilay mpandraharaha. Najanon-dry zalahy ilay fiara baché fa ny fiaran’ilay Sinoa no nitondrany azy mianadahy.
Ny fanadihadiana hatrany no nanamarina fa ny lahikely 17 taona no zanak’ity mpandraharaha ity fa ny vavy 14 taona kosa, zanaky ny fianakavian-dramatoa vadin’ilay metisy sinoa.
Misy ambadika ity raharaha ity…?
Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa tsy niandry ela fa omaly tolakandro ihany dia efa nandefa hafatra tamin’ny alalan’ny findain’ ireo ankizy ireo mpaka an-keriny fa mangataka lelavola ary atao amin’ny vola vahiny 1.250.000 euro na 4 miliara Ar ho takalon’ aina sy tambin’ny famotsorana azy mianadahy ireto.
Etsy ankilany mandeha koa ny fanangonam-baovao fa misy ambadika tsy fifanarahana teo amin’ny asa nifanaovana momba ny fanondranana an-tsokosoko andramena izao raharaha izao. Tsy vitsy rahateo ireo samy mpanao io afera maloto io no mitaraina fa voambakan’ ity metisy Sinoa ity. Andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha.
J.C sy Sajo
Cet article Kidnapping – Toamasina : 4 miliara Ar no takian’ireo jiolahy naka an-keriny ankizy mianadahy est apparu en premier sur NewsMada.