Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Fanampiana ny marary : nanome ra maimaimpoana ny Cnaps

$
0
0
cnaps

Ankoatra ny fizarana fanampiana toy ny volan-jaza, ny vola ho an’ny bevohoka, ny fisotroan-dronono, ny solon-takaitra ho an’ny voan’ny loza am-perinasa, mitsinjo ny mpiara-belona ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps). Omaly, nifandrimbona ny mpiasa rehetra, notarihin’ny tale jeneraly (DG), Arizaka Rabekoto Raoul, nanome rà maimaimpoana tetsy amin’ny Ivontoeram-pahasalamana etsy Ampefiloha. Tanjona ny hanampiana ny marary eny amin’ny hopitaly HJRA, toy ny olona niharan-doza, ny voan’ny homamiadana ary ny vehivavy miteraka mila famonjena ao amin’ny Sainte Fleur.

Nilaza Andrianarivo Naina, mpanolotsaina ny tale jeneralin’ny Cnaps, fa « izay manome rà, manome aina. Famonjena ny Malagasy mpiray tanindrazana izao hetsika izao ». Anjatony mahery ny mpiasa nandray anjara, 18 hatramin’ny 60 taona. Nanao ity fanomezan-drà ity ny Cnaps nanomboka ny taona 2008.

Njaka A.

Cet article Fanampiana ny marary : nanome ra maimaimpoana ny Cnaps est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986