Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Nitokona ny mpianatra eny Vontovorona : kodiarana telo may, nirefodrefotra ny grenadin’ny Emmo/Reg

$
0
0
mpianatra

Nanatanteraka fitokonana indray ny mpianatry ny Polytechnique Vontovorona omaly. Nivoaka ny faritry ny oniversite izy ireo ary nametraka sakana telo mialohan’ny hahatongavana eny an-toerana.

Nitohy tamin’ny fandorana kodiarana izany talohan’ny nahatongavan’ny zandary. Nirefotra ny grenady mandatsa-dranomaso nanaparitahana ireo mpianatra marobe. Nifanaritaka nandritra ny ora roa teo ny roa tonta, izay vao nitari-dositra niditra tany amin’ny faritry ny CUR ny mpianatra. Voalaza fa nisy nanapoaka basy bala teny izy teny an-toerana.

Araka ny fanazavana avy amin’ny mpianatra eny Vontovorona, mitokona noho ny fahataran’ny vatsim-pianarana roa volana izy ireo, ary milaza tsy hijanona raha tsy mahazo valiny mahafa-po. Voalazan’ireto mpianatra fa nisy zandary telo tonga teny an-toerana nifampiraharaha tamin’izy ireo. “Teo am-piresahana tamin’ireo zandary anefa izahay no nisy iray tamin’ireo nanapoaka basy nanao tifi-danitra inefatra. Nanaitra ny mpianatra izany ka raikitra ny savorovoro”, hoy ny fanazavana.

Taorian’izay no tonga ny Emmo/Reg avy eny Ankadilalana ka nanaparitaka ireo mpianatra avy hatrany. « Tsy maintsy niditra tamin’ny fampiasan-kery ny Emmo/Reg satria misy ny fandikan-dalàna toy ny fanaovana sakana amin’ny lalana ivezivezen’ny mponina. Teo ny fandorana kodiarana sy ny tora-bato. Famerenana amin’ny laoniny ny fiainana andavanandron’ny mponina no nataonay », hoy lehiben’ny Emmo/Reg tonga teny Vontovorona, ny kaomanda Randrianarivelo Annissé. Nilaza ity farany fa tsy nisy nampiasa bala tena izy teny an-toerana fa grenady mandatsa-dranomaso ihany no nentina teny. Ny mpianatra nanizingizina, ary milaza fa hanohy ny hetsika. Fantatra fa nisy ny fihaonana teo amin’ny solontenan’ny mpianatra sy ny prezidansa ny oniversite hamahana ity olana ity.

Yves S.

Cet article Nitokona ny mpianatra eny Vontovorona : kodiarana telo may, nirefodrefotra ny grenadin’ny Emmo/Reg est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>