![]()
« Mety hisy ny fitokonana, raha ohatra tsy hamaly ny fitakianay ny fitondram-panjakana. Raha mamaly izy, ka amin’ny hetahetanay: tsy hisy ny fitokonana », hoy ny filohan’ny sendikàn’ny mpirakidraharaha fitsarana, Randriambololona Haja, teny Anosy, omaly, momba ny fitakian’izy ireo. Tsy mbola azon-dry zareo an-tanana ny lafiny vola, na ny fandaharana ny asan’izy ireo, ny fanatrehana ny famotorana […]