
Nijoalajoala ny afo! Kila hotohoton’ny afo ny biraon’ny Jirama ao Andapa omaly tamin’ny 11 ora antoandro. Tsy fantatra hatreto ny anton’ny fahamaizana…
Naharitra 30 mn teo ho eo ny firehetan’ny biraon’ny Jirama ao Andapa nandritra ny fahamaizana, omaly antoandro. Araka ny fanazavan’ireo mpiasan’ny Jirama ao Andapa, tsy fantatra izay antony nahatonga ny fahamaizana fa ny afo nijoalajoala narahina setroka maintibe no nahataitra ireo eo amin’ny manodidina ity birao nirehitra ity. Voalaza fa birao ny trano fipetrahana ity kilan’ny afo ity. Nalaky ny fiitaran’ny afo satria trano hazo avokoa ny ampahany amin’ny trano ka nanamora ny fiitaran’ny afo ary niitatra tamin’ny andrin-jiro lehibe manoloana ity birao ity. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ireo olona eo amin’ny manodidina satria saika niitatra tamin’ireo trano mifanila amin’ilay birao ny afo raha tsy vetivety voavonjin’ny fokonolona ny afo. Nisy fahatapahan-jiro nandritra ny ora maromaro tao an-toerana ka nitranga tamin’izany ity fahamaizan’ny birao ity, araka ny fanazavan’ireo olona any an-toerana. Vokany, kila tsy nisy noraisina intsony ny entana rahetra tao an-trano miampy ny antontan-taratasy rehetra momba ny Jirama. Misokatra ny fanadihadiana momba ity fahamaizana tampoka ity eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ao Andapa. Tsy tongatonga ho azy izao fahamaizana izao. Nisy nandoro sa fahamaizana toy ny fahamaizana rehetra? Matetika miakatra tampoka koa ny tanjaky ny herinaratra rehefa miverina ny jiro aorian’ny delestazy. Kanjo ny Jirama ihany no tratran’izany tany Andapa.
Jean Claude