
Torana tsy mahatsiaro tena ao amin’ny hopitalin’i Moramanga hatry ny omaly, ny filoha lefitry ny Oniversite Barikadimy Toamasina, ny Profesora Solohery vokatry ny lozam-piarakodia nahazo azy sy vady aman-janany tao Antongobato, omaly tolakandro. Sojaben’ny sampam-pianarana fitsaboana izy sady mpitsabo miasa ao amin’ny Hopitalibe Toamasina. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, nandeha fiara 4×4 hiakatra aty an-drenivohitra izy sy ny vady aman-janany no nifandona tamin’ny kamiaobe nitondra kaontenera tao anaty fiolahana. Voalazan’ny zandary nanao fanadihadiana fa somary nangalatra lalana ilay kamiaobe ka nifatratra tany amin’ilay fiara 4×4. Hidina ho any Toamasina kosa ilay kamiaobe. Naratra ihany koa ny vady aman-janany saingy tena voa mafy ny Profesora Solohery. Potika tanteraka ilay fiara 4×4. Mampitaraina ny mpandeha eny amin’ny lalam-pirenena ireny kamiaobe mifamezivezy ireny satria ireny ihany matetika no mahatonga ny lozam-pifamoivoizana.
Sajo sy J.C