Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Nanao herisetra tamina zandary sy vadintany tany Anjozorobe… : zandary iray niaraka tamina “gros bras” maty voatifitra

$
0
0
????????????????????????????????????

Zandary manana andraikitra hafa, saingy nifampitarika tamina andian’olona (gros bras) nirongo fiadiana, nikasa hiditra an-keriny tamin’ny tanin’olona ary nanao herisetra tamin’ny vadintany sy zandary ity namoy ny ainy, taorian’ny fifampitifirana ity. Tany Anjozorobe, ny asabotsy teo ny nitrangan’izany.

Maty vokatry ny tifitra nahazo azy ilay zandary voalaza fa nihoa-pefy izay nifampitarika tamina andian’olona “gros bras” nikasa hiditra an-keriny tamin’ny tanin’olona tsy nahazo alalana sy nanao herisetra tamin’ny vadintany sy zandary tonga hanatanteraka didim-pitsarana tao Ankaraoka kaominina Marotsipoy Ambatomanoina, distrikan’Anjozorobe, afakomaly. Araka ny fanazavan’ny sampandraharaha misahana ny serasera eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, zandary miasa ao amin’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena Analamanga ity zandary namoy ny ainy ity. Voatendry ho mpiaro manokana manamboninahitra jeneraly iray eo anivon’ny zandarimariam-pirenena izy, kanjo izao nifampitarika tamin’ny andian’olona tany Ambatomanoina izao. Voalazan’ny lefitry ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovana Analamanga, ny Lietnà-Kly Andriantsiferana nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety omaly teny Ankadilalana fa nisy vadintany nangataka zandary hiaro azy amin’ny fanatanterahana didim-pitsarana momba ny ady tany iray any Ankaraoka Ambatomanoina, ny alakamisy 5 janoary 2017 teo. “Ara-dalàna tokoa io fanatanterahana didim-pitsarana io rehefa nojerena ka nandefa zandary niaraka tamin’ilay vadintany tokoa izahay. Fomba fanao izany satria ny lalàna mihitsy no mametra azy”, hoy hatrany ny Lietnà-Kly Andriantsiferana. Nony tonga tany an-toerana anefa ny vadintany sy ireo zandary niaraka taminy, nisy andian’olona niangavy azy ireo mba tsy hanatanterahana ilay didy aloha fa mba hiandry 48 ora satria nolazain’izy ireo fa mbola misy didy hafa mandrava izany didy izany any amin’ireto andian’olona ireto.

Nitifitra tampoka ireo “gros bras”…

Tapitra ny 48 ora tsy nisy akory ilay didy fandravana. Ny asabotsy teo anefa, tsy nitondra  izany didy fandravana izany ireo olona fa “gros bras” nirongo basy mahery vaika indray ny nentin’izy ireo mba tsy hahafahan’ireo vadintany sy zandary manatanteraka ilay didim-pitsarana. Nosakanan’ny zandary avy hatrany ireto andian’olona nitondra basy ireto sady nosaivana hanamarinana ny fomba rehetra nahafahan’izy ireo mitondra izany fitaovam-piadiana izany. Voalaza fa nanao fanamiana sivily rahateo izy ireo ka somary nampanahirana ireo zandary niaraka tamin’ilay vadintany izany. Tampoka teo anefa, nitifitra ireo andian’olona ka raikitra ny fifampitifirana. Niaro tena ireo zandary sady niaro ilay vadintany. Vokatr’izany, naratra ny lehilahy iray ary nandositra kosa ny namany sasany. Noraisim-potsiny teo, araka izany, ilay lehilahy sy ny basy teny am-pelatanany. Nentina haingana tany amin’ny hopitaly ity niharam-boina ity, saingy tsy avotra intsony ny ainy noho ny fahaverezandra be loatra.

Misokatra ny fanadihadiana…

Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena momba ity raharaha ity. Voamarina taorian’izay fa zandary ity lehilahy namoy ny ainy, ny fahatongavany tany Ambatomanoina dia mivoana tanteraka amin’ny asa tokony hataony amin’ny maha zandary azy sy maha mpiambina manokana azy. Nohamafisin’ny lefitry  ny vondon-tobim-pileovana hatrany fa fandikan-dalàna ny fanoherana fanatanterahana didim-pitsarana. Nanamafy rahateo izy ireo fa tsy miray tsikombakomba na miaro na manafina ny tsy mety izay ataon’izy ireo sy ny olom-peheziny.

Tsy vao izao fa efa niteraka resabe hatramin’izay ity resaka fibodoana tanin’olona ataon’ny zanaka mpitondra fanjakana ambony ity any amin’iny faritra Anjozorobe iny. Niteraka resabe izany tamin’ny taon-dasa izay niafara tamin’ny tsy fahitana zanak’Androy nandritra ny fotoana nahatongavan’ireo zandary sy vadintany nanatanteraka didim-pitsarana koa tamin’izany. Niafara tamin’ny fifampitifirana koa ny raharaha tamin’izay. Niteraka fihetsiketsehana teo anivon’ny zanak’Androy mihitsy ny raharaha, saingy very an-javony izany taty aoriana. Vao afakamoly anefa nanome baiko ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Paza Didier fa tsy azo ekena ny fanaovana herisetra amin’ny zandary eo am-panatanterahana ny asany. “Tsy maintsy samborina  ary omena ny sazy faran’izay mafy ny olona manao izany”, hoy izy.

Jean Claude


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>