
Notolorana fitaovana entina miatrika ny loza mety hitranga mandritra ny fotoam-pahavaratra ny ben’ny Tanàna avy amin’ny distrikan’i Manakara sy Mananjary, faritra Vatovavy Fitovinany, omaly. Notanterahina teny amin’ny foiben-toeran’ny Birao manokana misahana ny fitantanana ny tandindomin-doza sy ny loza (BNGRC), Antanimora. Saina manambara ny dingana misy ny tandindomin-doza sy ny loza miampy mégaphone no nozaraina amin’ny mpiandraikitra ny kaominina 11. Hitohy amin’ny faritra hafa manana tandindomin-doza ambony ny fitsinjarana ireo fitaovana ireo izay avy amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny Sakafo (Pam). 16 ny faritra voasokajy ho tandindomin-doza ambony satria andalovan’ny rivodoza saika isan-taona, eo koa ireo toerana itragan’ny haintany matetika. Hotanterahina any amin’ny distrikan’i Manakara sy Sambava ny asa fizarana fiomanana amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary, araka ny fanazavan’ny sekretera mpanatanteraky ny BNGRC, Lomotsy Ludovic.
Ilaina ny fiomanana hampihena ny vokatry ny loza
Satria toerana andalovan’ny rivodoza isan-taona eto amintsika, ilaina ny fiomanana mba tsy ho mavesatra amin’ny mponina ny vokatry ny loza : tondradrano manimba ny fihariana sy ny fotodrafitrasa samihafa ary amoizana ain’olona maro. Mivondrona ao anatin’ny Initiative commune de plaidoyer pour la réduction des risques de catastrophes à Madagascar (ICPM) ny ONG sy sampandraharahan’ny Firenena mikambana fito izay samy manana ny asany fa mampiray kosa ny feony mandresy lahatra ny isan’ambaratongany. Zava-dehibe loatra ny fiomanana mialoha ny fiavian’ny loza. Ankoatra ny fanentanana, misy ny fandresen-dahatra ny mpamboly hanova ny fomba fiasa sy ny fotoam-pambolena hialana amin’ny ranobe manimba ny vokatra. Miasa any amin’ny tapany atsinanan’ny Nosy ny ICPM hampihenana hatrany ny voka-dratsin’ny fandalovan’ny loza samihafa. Hita taratra fa misy ny vokatra hatramin’ny taona 2010 nanombohan’ny asa niarahan’ny mpikambana rehetra ao anatiny.
Niofana momba ny anjara andraikiny amin’ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza ny mpanao gazety omaly teny Antanimora niaraka amin’ny BNGRC sy ny mpanohana ny ICPM. Ilaina ny mampita vaovao marim-pototra ahafahana manao ny asa miantefa amin’ireo traboina mandritra ny loza.
Vonjy A.