
Natolotry ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery, omaly teny Iavoloha, ny kamiao vaovao ho an’ny kaominina Ivato. Nandray izany kamiao vaovao izany omaly ny ben’ny Tanàna Randrianarisoa Penjy, sy ireo mpiara-miasa aminy. Vavahadin’i Madagasikara ny kaominina Ivato. Ivantanan’ny mason’ireo vahiny tonga eo amin’ny seranam-piaramanidina ny tanàna. Mendrika ny tohana ara-pitaovana sy ara-potodrafitrasa, araka izany ny kaominina.
Hivantanan’ireo vahiny horaisina amin’ny fihaonamben’ny Frankôfônia ihany koa ny kaominina Ivato. Miezaka amin’ny fanadiovana ny tanàna sy ny fanatsarana ny manodidina rehetra ny ben’ny Tanàna sy ny mpiara-miasa rehetra.
Nilaza ny ben’ny Tanàna fa hanampy betsaka ny kaominina amin’ny fitaomana ireo fako ao amin’ny fokontany rehetra ao amin’ny kaominina ny fisian’ity kamiao vaovao ity.
Nampanantena ihany koa ny ben’ny Tanàna fa hanaja ny fitaovana ary hampiasa izany amin’ny tokony hilana azy. Tsy hikely soroka amin’ny fanadiovana sy fanatsarana ny tanàna.
« Hanampy anareo amin’ny fanatsarana ny Tanàna ny anton’izao« , hoy ny filoha Rajaonarimampianina, indrindra fa vavahadin’i Madagasikara ny faritra iadidianareo. Nampirisika ny ben’ny Tanàna koa izy hanentana ny mponina amin’ny fikajiana ny tontolo manodidina, na amin’ny fanadiovana izany, na amin’ny fambolena sy fikolokoloana ireo zaridaina satria singa iray eo amin’ny fampandrosoana koa ny fihatsaran’ny tontolo iainana andavanandro.
Tatiana A