Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Marais Masay : voasambotra ny jiolahy mpangalatra môtô sy mpamaky trano

$
0
0
polisy

Rehefa tsy manafika, mamaky trano ny jiolahy. Lasibatra ihany koa ny môtô. Efa-dahy indray saron’ny polisy.

Tovolahy efatra voasambotry ny polisy miasa any amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo Analamahitsy, teny Ivandry, ny alarobia lasa teo, tokony ho tamin’ny 5 ora maraina, noho ny resaka halatra môtô. Ny alin’ny talata hifoha alarobia, tamin’ny 1 ora maraina, tovolahy roa no tratra tao anaty vela-pandriky ny polisy teny akaikin’ny Ibis hotel. Nihazakazaka niampita ny lalana izy ireo nihazo ny lalana vaovao ao ambadiky ny Ibis izay mivoaka any Masay. Natao ny fanarahan-dia ka tovolahy roa hafa efa manosika moto no tratra. Nitsoaka kosa ny roalahy raha vao nahatsikaritra ny polisy, fa ny roa noraisim-potsiny. Ny marainan’io tamin’ny 5 ora, nosamborina teny Ivandry amoron’ny Masay ireo roalahy nitsoaka tamin’ny alina. Tamin’ny fanadihadihana natao azy, niaiky izy ireo fa nangalatra ilay môtô. Nangalarina tany Soavimasoandro, nandalo Morarano, lalam-baovao pavé mivoaka any Masay. Voalaza fa misy mpiambina tsotra ny iray amin’izy ireo.

Araka ny vaovao avy amin’ny polisy ihany, eny amin’ny faritra Soavimasoandro, Ivandry, Amboditsiry, Manjakaray, Tsarasaotra iny ny famelezan’ireo jiolahy. Lasibatra amin’izany ny môtô. “Raha eo ivelan’ny trano ny môtô ka misy hidiny, tapahany amin’ny “pince coupante”. Raha ao an-trano kosa, vakiany ny trano ary alainy ny môtô sy izay zavatra hitany manodidina eo”, hoy ny polisy. Amin’ny 5 ora maraina ka hatramin’ny 08 ora ny fanaovan’ireo jiolahy ny asa ratsiny, raha amin’ny 11 ora alina ka hatramin’ny 3 ora maraina ny alina. Natolotra ny fampanoavana omaly, izy efa-dahy.

Yves S.

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986