Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Mpianatra any Sina : misy ireo mody tsy nahazo diplaoma

$
0
0
sina

« 50 eo ho eo ny mpianatra malagasy nandranto fianarana tany Sina no nody maina tsy nahazo ny diplaoma nantenaina, taorian’ny fianarana norantovina nandritra ny taona maro tany an-toerana », hoy ny filohan’ny fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mampiana-janaka any (Apebeme), Randrianjanahary Alexandre, omaly. « Tsy vitsy ireo tsy afaka nanao fanohanan-kevitra hanamarika ny fahavitan’ny fianarana mialoha ny hahazoana ny diplaoma satria betsaka loatra ny trosa tsy voaloa eo amin’ny saram-pianarana sy ny hofan-trano, araka ny fanazavana azo ihany. Amin’ny vatsim-pianarana valo volana nampanantenain’ny fanjakana, efa-bolana ihany no azon’ny mpianatra malagasy tany Sina. Roa volana ny volana oktobra ary roa volana ny volana desambra 2015 ». Nilaza ny filohan’ny fikambanana fa efa any am-pelatanan’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola ny antontan-taratasy momba ny famoaham-bola hatao vatsim-pianaran’ny mpianatra malagasy any Sina, ny volana jona lasa teo. Hatramin’izao, tsy mbola naharay vola mihitsy ny mpianatra. Mangataka fanazavana any amin’ny minisitera ny ray aman-dreny, tsy mahazo valin-teny mazava sy matotra.

Vonjy


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles