
Miverina sady tena mahery vaika, saika manerana ny Nosy, ka mampimenomenona tanteraka ny mpanjifa indray ny delestazin’ny Jirama. Tsy mahataitra, tsy mampihontsina ity fitondrana mpanao ronono an-tavy ity mihitsy anefa izany fahoriam-bahoaka izany.
Sempotra tanteraka ! Tsy hitan’ny Jirama intsony izay atao hamahana ny delestazy. Tsy eto Antananarivo ihany fa manerana ny Nosy mihitsy ny fahatapahan-jiro mahery vaika sady maharitra. Nanomboka ny faran’ny herinandro teo, kenda roroky ny delestazy avokoa ny mpanjifa nanerana ny toerana maro eto Madagasikara. Tapaka nandritra ny iray andro manontolo farafahakeliny, ny jiro tany Mahajanga, Marovoay,Toliara, sy ny toeran-kafa maro. Teto Antananarivo, omaly, tapaka vao maraimbe, nandritra ny ora maro, ny jiro ary niverina matetika indray ny tolakandro sy ny hariva.
Mazava ny antony, tsy ampy ny gazoala hampandehanana ny milina manodina ny herinaratra.
Nialan’ny fanjakana ny andraikiny, nilazany tsotra fa nahena ho 300 miliara Ar ny fanampiana ara-bola ny Jirama tamin’ity taona ity raha 400 miliara Ar, ny taona 2015, araka ny fepetran’ny mpamatsy vola, takalon’ilay Vola indramina nohamoraina (Fec) avy amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI).
Nahita vola ho an’ny mpitatitra
“Tsy rahampitso ny vahaolana”, hoy ny praiminisitra tany Ambositra. Io tokoa àry fa tanteraka izany. Etsy ankilany anefa, nahita vola ny fanjakana hanampiana ny mpitatitra, na fepetran’ny FMI koa aza ny tsy hanampiana ity sehatra ity intsony, raha vao nampihatra (fa tsy nandrahona intsony) nanondrotra ho 500 Ar ny saran-dalan’ny taxi-be ny UCTU.
Milaza koa ny fanjakana fa 15%-n’ny Malagasy ihany ny mpanjifan’ny Jirama, nefa handaniana volabe voalaza etsy ambony. Fantany tsara anefa, saingy tsy lazainy, fa mitondra ny 75%-n’ny fandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara ny orinasa sy ny mpandraharaha amin’ireo ampahany ireo (raisiny fa vitsy), sady ampahany betsaka amin’ny mpandoa hetra ho fidiram-bolan’ny fanjakana. Hita soritra sahady izany satria nahena 4,1 % ny fitomboana ara-toekarena any amin’ny tetibola 2016 nahitsy (LFR) raha novinavinaina ho 4,5%.
Hatezerana sy tsy fahafaham-po
Fotoana lazaina fa hanarenana ny toekarena hitondra fampandrosoana ny firenena izao. Ailika any amin’ny mpanohitra ve ny rihitra amin’ny tsy fahaiza-mitantana sy fanaovana ronono an-tavy, nanomezana toky fa “hivaha ao anatin’ny telo volana ny delestazy”? Ny mifanohitra amin’izany no mitranga telo taona aty aoriana.
Hatezeram-bahoaka ny tranga teny Soamahamanina. Tsy fahafaham-pon’ny mpitatitra ny hanondrotana ny saran-dalana. Manampy trotraka ny an’ny mpampianatra Fram sy ny mpirakidraharaha fitsarana. Miampy ny hatezeran’ny mpanjifan’ny Jirama indray ny tsy fitsinjovana azy ireo, lazaina fa ny 15%-n’ny Malagasy monja?
Randria