Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Mitaraina ny depiote Ramarolahy Maurice : miparitaka ny basy Kalachnikov any Antsalova

$
0
0
????????????????????????????????????

 Manahy ny mponina any amin’ny faritra Melaky fa misy tompon’andraiki-panjakana miray tsikombakomba amin’ny dahalo, araka ny fanazavan’ny depiote Ramarolahy Maurice voafidy tany Antsalova.

 

Misy dahalo manana basy Kalachnikov, saingy tsy misy anefa tompon’andraikitra na iray aza mandray andraikitra. Tsy any atsimo irery no tsy mandry fahalemana fa any Melaky koa mandry andriran’antsy hatrany ny mponina noho ny asan-dahalo”, hoy ny fanazavan’ny depiote Ramarolahy Maurice amin’ny afitsoky ny asan-dahalo. Miantso ny fanjakana mba handray andraikitra, araka izany, ity solombavambahoaka ity satria mitaintaina andro aman’alina ny mponina. Nohamafisiny hatrany fa nitrangana halatra omby nahaverezana omby 800 mahery tany amin’iny faritra iny. Mbola misy koa ireo omby halatra tratra tany amin’ny tsena. Miparitaka, araka izany, ny basy mahery vaika ao amin’ny faritra Melaky. Mandry tsy lavo loha ny mponina satria ny dahalo indray no mifehy ny fitaovam-piadiana sady mampihorohoro. Vao haingana anefa no nisy ilay fikaonan-doha nataon’ireo manamboninahitra tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandamariam-pirenana. Tafiditra tao anatin’ny lahadinika niarahan’izy ireo tamin’izany ny ady amin’ny fitparitahan’ny fitaovam-piadiana eny am-pelatanan’ny jiolahy sy ny dahalo.

Zary fialana bala hatrany ny hoe noho ny krizin’ny 2002 sy 2009 no mahatonga ny fiparitahan’ireny basy mahery vaika ireny. Tsy nisy fandraisana andraikitra mihitsy izany nandritra izay taona maro izay. Ankoatra izany, tsy misy ny fandrindrana ny fanapariahana ireo mpitandro filaminana ka zary mivangongo eto an-drenivohitra. Miteraka fahasorenana ho an’ny sasany ny fahitana azy ireo marobe isaky ny misy hetsika.

Randria


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>