Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Mponina any Androy : latsaky ny 10 l ny rano ampiasaina

$
0
0
????????????????????????????????????

20 litatra isan’andro ny rano tokony hampiasain’ny isam-batan’olona hidiovana sy hosotroina, araka ny fenitra napetraky ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS). Any amin’ny faritra Androy, 69,29%-n’ny olona nohadihadiana tsy mikirakira afa-tsy rano latsaky ny 10 litatra isan’andro. Any Anosy, latsaky ny 10 litatra monja no azon’ny 46,31% ampiasaina, araka ny fanadihadiana nataon’ny Unicef, ny volana aogositra lasa teo momba ny rano. Rano alaina avy amin’ny renirano, rano miangona ny ampahany betsaka (hatramin’ny 80% any Taolagnaro) ampiasain’ny mponina amin’ny filana andavanandro. Ankoatra ny rano amin’ny renirano, ampiasain’ny mponina koa ny rano avy amin’ny vovo tsy manaraka ny fenitra ara-pahasalamana. Any Bekily, 45,5%-n’ny vahoaka mikirakira rano avy amin’ny vovo avokoa, raha 34, 95% ny mifanohitra amin’izy. Ao amin’ny distrikan’i Bekily, Beloha ary i Tsihombe, tsy misy tokantrano na iray aza manana rano ao an-trano avy amin’ny famatsiana.

Vidiana 100 Ar ka hatramin’ny 1 100Ar ny rano amin’ny damoza mahazaka 20 litatra, arakaraka ny distrika. Ao Bekily, 100 Ar ny vidin-drano 20 litatra ho an’ny olona rehetra nanaovana fanadihadiana. Any Ambovombe, 7,1% -n’ny olona, nilaza fa mivdiy ny rano 1 100 Ar amin’ny refiny 20 litatra. Anisan’ny tetikasa lehibe iandraiketan’ny minisiteran’ny Rano amin’izao fotoana izao ny fametrahana pipeline hitarihana rano ho an’ny kaominina maromaro avy ao amin’ny reniranon’i Mandrare.

 

Betsaka ny zaza marary vokatry ny rano maloto

Iankinan’ny fahasalamana ny fahazoana rano madio satria anisan’ny mbola mamono ankizy maro ny aretina avy amin’ny rano maloto izay mitarika amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ny zaza marary, tsy afaka mandray ny otrikaina entin’ny sakafo vokatry ny kankana ao aminy entin’ny rano maloto sy ny tsy fisian’ny rano hanasana tanana mialoha ny sakafo rehetra.

Vonjy A.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>