Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Antsiranana : tovolahy iray maty novonoin’ny Foroche

$
0
0
foroche

Niverina indray koa ny asa ratsin’ny Foroche any Antsiranana. Nitrangana fanafihana nataona andiana Foroche avy any Tanambao V tany Tanambao I, ka nahafatesana tovolahy iray, ny alarobia lasa teo tamin’ny 8 ora alina. Niharan’ny daroka sy herisetra io tovolahy vao 16 taona io, ka namoy ny ainy rehefa tonga tany amin’ny hopitaly.

Nidina amin’ireo  toerana roa voalaza etsy ambony ny Emmo/Reg ka lehilahy roa no voasambotra tamin’izany. Ny iray avy ao amin’ny kaominina Mahavanona ka notazonina ao amin’ny polisy. Ny iray hafa kosa, avy ao Tanambao IV izay  notazonina ao amin’ny biraon’ny tobim-paritry ny zandarimaria ao Antsiranana. Nandefa “patrouille mixte” (zandary, polisy, tafika)  ny tompon’andraikitra ao Antsiranana, ary mitohy ihany koa ny fitadiavana ny naman’ireo nahavanona ny loza. Araka ny fanazavana, efa nangina nandritra ny volana maro ity resaka Foroche ity tany an-toerana, saingy izao indray vao nipoitra. Manao izay hifehezana azy io hatrany ny mpitandro filaminana any an-toerana satria anisan’ny mampalaza ratsy an’Antsiranana ity tranga ity.

Yves S.

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>