Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

55 taona … : nanao hazakazaka niarahana ny polisim-pirenena

$
0
0
polisy

Nofaranana ny zoma 30 septambra teo ny ivon’ny fankalazana ny faha-50 taon’ny polisim-pirenena. Nandritra ny taona nankalazana izany, samy nanana ny hetsika nentiny nanamarika izany ny polisy isaky ny faritany. Hetsika telo sosona no nentin’ny teto Antananarivo nanamarika izany. Ny maraina ny zoma, tamin’ny 5 ora sy sasany, nifamotoana teny amin’ny foibe fitantanana ny polisim-pirenena Anosy ny polisy rehetra miasa eto Antananarivo. Nanatanteraka hazakazaka fanehoana firaisankina nanodidina ny farihin’Anosy notarihin’ny sekretera jeneralin’ny minisitera, ny contrôleur général de police, Andrianomenjanahary Josoa.

Nandray anjara tamin’ity hazakazaka firaisankina ity ihany koa ireo vehivavy vadin’ny polisy mivondrona ao anatin’ny fikambanan’ny vadin’ny polisy sy ny vehivavy polisy izay nanatanteraka ny fihaonam-be nasionaly teny amin’ny Cercle Messe-n’ny polisy Antanimora, ny alakamisy 29 septambra notarihin’ny vadin’ny minisitry ny filaminam-bahoaka. Ny harivan’ny 30 septambra, notanterahina teo amin’ny tokotanin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ny fitokanana ny tsangambaton’ny faha-55 taona. Tonga nitokana izany ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana olivier. nilaza ny minisitry ny filaminam-bahoaka, ny contrôleur cénéral de police Anandra Norbert, fa betsaka ny vitan’ny polisim-pirenena tamin’ny fampanjakana ny filaminana nandritra izay fotoana izay nefa betsaka ihany koa ny mbola miandry.

Nankahery sy nampirisika ny polisim-pirenena hiroso sy hanao ny tsaratsara kokoa hatrany amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana mba hahafahan’ny vahoaka miasa sy mamokatra handrosoan’ny firenena ny praiminisitra. Nentina nanakatonana ny fankalazana ny faha-55 taonan’ny polisim-pirenena ny alim-pikoranana lehibe (nuit de la police nationale) notanterahana teny amin’ny A&C Ivato.

Yves S.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>