
Bolongam-bolamena 24 kg tratran’ny mpiasan’ny ladoany, omaly teny Ivato. Efa mialohan’ny hidirana ao anatin’ny fiaramanidina, Turkairlines, zotra mankany Naïrobi, Kenya no saika hamoahana an-tsokosoko izany volamena izany, mitentina 3 miliara Ar. Tsinjon’ireo mpiasan’ny fadintseranana fa tsy azo antoka ny fisavana nataon’ireo tompon’andraikitra teo aloha, eo koa moa ny traikefa efa ananan’izy ireo ka nahatojo izao harena saika haondrana an-tsokosoko izao. Nitondra izany ny teratany malagasy ary niaiky ny fahadisoany ; tsy nanambara mazava izay tena tompony handray izany any Kenya izy. Tsy fantatr’io olona io mazava, hono, ny tena tompony.
Nisaotra ireo mpiasan’ny fadintseranana ny minisitry ny Fitantanam-bola sy ny tetibola, Rakotoarimanana Gervais, ny traikefa efa ao amin’izy ireo na eo aza ny tsy fahampian’ny fitaovana. Amin’ny zavatra toy izao, nanazava ny ao amin’ny fadintseranana, na avy hatrany dia hoentina eny amin’ny fitsarana ny raharaha na miankina amin’ny raharaham-pihavanana, araka ny voafaritra ao anatin’ny lalàn’ny fadintseranana. Tsy maintsy aterina any amin’ny Banky foibe ilay volamena mialohan’ny fanapahan-kevitry ny manam-pahefana.
“Ezaka atao isan’andro izao ary fanamby rahateo napetraky ny mpiasan’ny fadintseranana”, hoy ny tale jeneraliny, Narivony Rabenja Eric. Momba ny volamena, malalaka ny fanondranana izany raha atao anatin’ny ara-dalàna, misy rahateo ny “guichet unique” momba izany. Marihina ihany anefa fa midadasika i Madagasikara, ao ireo seranan-tsambo tsy ampy fanaraha-maso sy tena mbola anjakan’ny kolikoly ; ireo harena aondrana an-tsokosoko any amin’ny sisin-dranomasina tsy misy seranan-tsambo, anisan’ireny ny lavanila sy andramena. Mitaky ezaka goavana daholo izany ary tsy tokony anjara asan’ny mpiasan’ny fadintseranana irery.
R.Mathieu
Tratran’ny mpiasan’ny fadintseranana saika aondrana an-tsokosoko, taona 2016, hatramin’izao telo volana fahatelo izao :
- Vola vahiny, 805.800 euros sy 60.413 dolara.
- sokatra miisa 1.404.
- volamena 6 kg niampy izao 24 kg izao.
Mbola hafa indray ireo entana ampidirina an-tsokosoko