Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

FLSH-Oniveristen’Antananarivo : 10 taona ny mention Commo

$
0
0
commo

 Tsy niova ny tanjon’ny Mention Commo fa hamoaka mpiofana afaka miatrika ny tsenan’ny asa avy hatrany. 10 taona aty aorian’ny fandraisana mpianatra voalohany, miroborobo ny zanatsehatra izay manamarika ny faha-10 taon’ny Soamiditra koa.  

Rehefa nampiharina ny rafitra LMD, teny amin’ny fampianarana ambony ho an’ny oniversiten’Antananarivo, niova ho mention Communication-Médiation-Média-Organisation  (Commo) ny Département Interdisciplinaire de Formation Profesionnelle (DIFP), teo aloha. Ny taona 2004-2005 no noraisina ny andiana mpianatra, taona voalohany hianatra mandritra ny telo taona ka tolorana ny mari-pahaizana licence. Mandritra ny roa taona voalohany, miara-mianatra ny mpianatra rehetra. Amin’ny taona fahatelo, misafidy na hanaraka ny communication et territoire na communication et média ny mpiofana. « Aorian’ny fahazoana ny licence, afaka manohy ny mpianatra ka manao ny communication médiatique ny sokajy faharoa amin’ny taona fahefatra ary faranana amin’ny journalisme économique ao anatin’ny taona fahadimy, ahazoana ny mari-pahaizana Masters », hoy ny fanazavan’ny mpampianatra iray ao anation’ny Commo, Hagasoa Tamby, omaly teny Ankatso.

Mifototra amin’ny serasera sy ny fampandrosoana ary ny olona ny fiofanana atolotry ny Commo. Tafiditra ao ny olona, ny teny ary koa ny kolontsainy. Avoitra mandritra ny fampianarana fa ny fitaovana entina miserasera ny teknolojia vaovao, ny olombelona… hitondra fampandrosoana ho an’ny fiarahamonina.

10 taona ny commo izay mifanindran-dalana amin’ny hetsika Soamiditra, fandraisana ny mpianatra vaovao hanaraka ny fiofanana ao aminy.

Vonjy


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986


<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>