Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Ankazomborona Ambilobe : trano miisa 425 kilan’ny afo, olona 4 000 tsy manan-kialofana

$
0
0
????????????????????????????????????

Mitentina 1 miliara Ar ny tentimbidin’ny entana levon’ny afo nandritra ny haintrano tao Ankazomborona Beramanja Ambilobe, afakomaly sy omaly. Trano anjatony maro kilan’ny afo, anarivony ireo olona tsy manan-kialofana…

 

Trano miisa 425 indray kilan’ny afo tao amin’ny fokontanin’Ankazomborona kaominin’i Beramanja Ambilobe, afakomaly tolakandro. Trano biriky ny 15 amin’ireo raha trano falafa kosa ny ambiny. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, doro tanety no antony nahatonga ny loza satria niitatra tamin’ireo trano marobe ireo ny afo noho ny fitsokan’ny rivotra. Raikitra ny fifanjevoana satria nanao izay ho afany tamin’ny famonoana ny afo ireo olona niharam-boina, saingy tsy naharesy tosika ny afo izany. Vokany, kilan’ny afo ny entana rehetra izay mitentina hatrany amin’ny 1 miliara Ar ny tentimbidin’ny entana may. Mahatratra hatrany amin’ny 4 000 ireo tsy manan-kialofana. Tsy nisy maty na naratra tamin’ity loza ity.

Mbola tany an-toerana, saingy omaly tamin’ny 8 ora maraina, tsena indray no may tao Beramanja ihany. Pavillons fivarotana miisa 120 indray kilan’ny afo. Sekoly ny iray tamin’ireo trano ireo. Miisa 250 ireo traboina. Tsy nisy koa ny maty na naratra. Tsy fantatra ny tentimbidin’ny entana may satria mbola ao anatin’ny fanadihadiana ny zandary any an-toerana.

Toeram-pivarotana iray koa may teny Anjanahary, omaly tolakandro. Voalazan’ireo niharam-boina fa fipoahana herinaratra no niteraka ny fahamaizana. Tonga teny an-toerana namono ny afo ny mpamonjy voina. Main’ny afo ny sasany tamin’ireo entana tao an-trano. Aoka hitandrina fa tandrevaka kely fotsiny dia mety hahitan-doza.

J.C


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>