Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Hiaraka amin’ny hatsiaka : hitohy ny rivo-mahery hatramin’ny asabotsy

$
0
0
????????????????????????????????????

 Eto Antananarivo, hitohy hatramin’ny asabotsy ho avy izao ny rivo-mahery sy ny hatsiaka, araka ny fanazavan’ny teknisiana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Antony miteraka ny rivotra ny alizay matanjaka be mitoetra ao atsimon’ny Nosy La Réunion. Azo sokajiana fa matanjaka indrindra tao anatin’ny vanim-potoana ririnina ity alizay mitsoka izao ity. Any amin’ny alahady any vao hisava ny andian-drahona sy ny hatsiaka raha ny vinavinan’ny tomponandraikitra eny Ampandrianomby.

Mila miomana amin’ny akanjo mafana hatrany ny rehetra hiarovana amin’ny hatsiaka indrindra ireo efa manana aretina mitaiza toy ny sohika na koa ny ankizy madinika sy ny zokiolona. Amin’ny volana septambra mihitsy vao hiakatra ny maripana eto amintsika satria miditra amin’ny lohataona.

Ho an’ny faritra hafa ankoatra ny renivohitra, hahatratra 60 km isan’ora ny herin’ny rivotra ary hiakatra hatramin’ny 90 km isan’ora izany eo anelanelan’Antsohihy sy Mitsinjo ary ao Ampanihy sy Taolagnaro. Mitarika onjabe ny tafiotra ka mitarika fivadihan’ny sambo na loza hafa ho an’ny mpiandriaka. Mahatratra 5 m ny herin’ny onjan-dranomasina amin’ny morontsiraka atsinanana, manomboka eo Mahajanga hatrany Antsohihy sy Morombe ary Taolagnaro. Manentana ny rehetra mpampiasa ny ranomasina ny teknisianina fa mitera-doza ny fivoahana an-dranomasina ao anatin’ny roa andro manaraka.

Vonjy


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986


<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>