
Nihaona voalohany ny birao foiben’ny fiangonana FJKM vaovao sy ny teo aloha teny Ampandrana. Dingana ho amin’ny famindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha, ny mpitandrina Rasendrahasina Lala, sy ny filoha vaovao, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi, izany. Resadresaka.
+ : Inona ny votoatin’ilay fihaonana voalohany teo amin’ny birao foiben’ny FJKM teo aloha sy ny vaovao ?
–Pasitera Andriamahazosoa Ammi : Fihaonana voalohany tao aorian’ny synoda tany Antsirabe ity hahafahana mifampizara ny iainan’ny fiangonana, haneho ny firahalahiana kristiana satria fiangonana ity ka hitohy ny fiainan’ny FJKM, ny fijoroana ho vavolombelona ary ao anatin’izany firahalahiana sy fiombonana izany ny fandrindrana.
+ : Aorian’izao rehefa vita ny famindram-pahefana, tapaka eo ve ny fiaraha-miasan’ny birao taloha sy vaovao ?
– : Sarobidy ny fiaraha-miasa ary izao no teniko : tsy manomboka aminay birao miasa ankehitriny akory ny FJKM, tsy manomboka eto aminay ny FJKM fa mitohy ny fiainan’ny FJKM ka ny fiaraha-miasa tandrovinay toy ny anakandriamaso satria mpirahalahy mianala izahay, iray nakamban’ny finoana.
+ : Ahoana ny fanamby ho amin’ny fitohizan’ny asa fitoriana ny filazantsara ao anivon’ny fiangonana ?
-: Teny fanevan’ny synoda lehibe ny hoe: koa aza menatry ny ho vavolombelon’ny Tompontsika, ny fanamby lehibe izany dia hanangana fiangonana matanjaka tsy menatry ny ho vavolombelon’i Kristy eto amin’ity firenena ity mihoatra noho ny tamin’ny lasa.
Synèse R.