
Nankalazaina, omaly ny andro maneran-tany ho an’ny fanampiana vonjy aina na ny “World Humanitarian Day”. Nankasitraka ireo rehetra miasa eo amin’izany sehatra izany ireo mpiasan’ny USAID sy ny mpiara-miombon’ antoka aminy.
Mitondra vonjy aina ho an’ny faritra atsimo izay ianjadian’ny haintany maharitra nanomboka ny taona 2013 ny USAID Madagasikara. Efa maherin’ny olona iray tapitrisa ankehitriny no tsy manan-kohanina sy rano hosotroina any.
Mba hiatrehana ny olana, manatanteraka fandaharanasa ny USAID entina manavotra aina. Manome sakafo ara-pahasalamana ny zaza sy ny vehivavy bevohoka ary hanamafisana ny fahafahan’ny fianakaviana miatrika ny zava-tsarotra.
Manampy amin’ny fiatrehana ny tondra-drano mateti-piavy eto Antananarivo ihany koa ny USAID. Miara-miasa amin’ny tanànan’ Antananarivo izy amin’izany. Ao amin’ny tetikasa “Iarivo” hanamafisana ny fahafahan’ny fokontany 75 miatrika ny tundra-drano.
Tatiana A