Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

CHU Androva, Mahajanga : nahazo fitaovana ny fitsaboana ny zaza

$
0
0
star

Hampiasaina ao amin’ny sampandraharaha famelomana aina sy ny fitsaboana mila fanaraha-maso ao amin’ny sampana fitsaboana manokana ny zaza eo anivon’ny hopitaly Androva, Mahajanga ny fitaovana famanana rano 10 sy fanomezan-drivotra valo avy amin’ny orinasa Star. « Ilaina tokoa ny fitaovana fanomezan-drivotra amin’izao hafanana ao Mahajanga izao », hoy ny tomponandraikitry ny sampan-draharaha momba ny zaza, Andrianirina Zo. Mandray an-tanana zaza 500 isan-taona ny sampana manokana ho an’ny ankizy. Ankoatra ny fitaovana, mbola notolorana  kit Eau vive sy rano ny kilonga rehetra tsaboina ao amin’ny sampana. Nanampy tamin’ny hetsika koa ny Socolait nizara sakafo.

Isan-taona manohana hetsika momba ny fahasalamana, fanabeazana, tontolo iainana ny orinasa Star amin’ireo fanampiana isan-karazany. Hanokanana vola 1 miliara Ar isan-tona ireo asa ireo izay miantefa amin’ny fiankaviana sahirana matetika. Notentarahina omaly, ny fitsidihana ny sampana fitsaboana ny zaza sy ny fanomezana ny fitaovana tany Mahajanga, niaraka amin’ny tomponandraikitry ny Star, Razafindrakoto Karine.

Vonjy A.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>