
Nidina ny tahan’ny fampinonoana-dreny teto amintsika tao anatin’ny taona maromaro farany. Anisan’ny vahaolana iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny fampinonoana tsy misy fangarony. Misy ny hopitaly mandrisika ny reny hampinono fotsiny ary manampy azy ireo amin’izany ny tomponandraikitra. Iray amin’ireny ny MSI Avaradoha.
Notolorana fanindroany ny « label » hopitaly sakaizan’ny zaza indray ny toeram-piterahana sy fikarakarana ny reny sy ny zaza tantanin’ny Marie Stopes Madagascar, eny Avaradoha, omaly. Label omen’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ho an’ny hopitaly manaja ny fepetra momba ny fandrisihina ny fampinonoan-dreny tsy misy fangarony izany , hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny MS Madagascar, Razafinirinasoa Lalaina. Fepetra napetraky ny minisitera ny tsy fampiasana ronono vovony vita voatra ho an’ny zaza vao teraka, tsy fametrahana fandriana manokana ho an’ny zaza fa ampatoriana miaraka amin’ny reniny izy ary ny fanentanana ny reny momba ny tombontsoa azo avy amin’ny fampinonoana tsy misy fangarony. Milamina ny reny mampinono satria tsy manana ahiahy hividy ronono artifisialy mety hiteraka olana ara-pahasalamana ho an’ny zanany, miaro amin’ny vohoka tsy nirina koa ny vehivavy mampinono tsy misy fangarony. « Ny zaza minono amin’ny reniny rahateo mivelatra ara-tsaina sy mitombo ara-batana tsara », hoy ny mpitsabo manokana ny ankizy. Na miasa aza ny reny, azo atao ny mitery ny ronono avy amin’ny nono, tehirizina ao anaty fitaovana madio nampangotrahina mialoha ary atao amin’ny vata fampangatsiahana raha manana. Eo koa ny fanentanana ny orinasa hametraka toerana hampinonoana sy ny fanajana ny adiny iray isan’andro ahafahan’ny reny mampinono.
« Isan-taona, 18 000 ny reny sy ny zaza tonga manatona ny MSI, 780 ny fiterahana. 4 000 ny fandraisana an-tanana ny vehivavy mitondra vohoka, 6 300 ny zaza vao teraka araha-maso ny fahasalamany », hoy ny tomponandraikitra. Ny taona 2004 no nahazo ny label hopitaly sakaizan’ny zaza voalohany ny MSI Avaradoha.
Vonjy A.