Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Soamahamanina : niverina nitokona ny fokonolona sasany

$
0
0
soa

Niverina nitokona indray ireo fokonolona tsy mankasitraka ny fitrandrahan’ny Sinoa volamena ao Soamahamanina, omaly. Mitaky ny hialan’ireo teratany vahiny ireo any a-toerana izy ireo. Vokatr’izay, nanapa-kevitra ny ben’ny Tanàna ao Soamahamanina, Rabesahalasoa Théophile, fa hanakatona ny biraon’ny kaominina vonjimaika io omaly io noho ny tahotra korontana.

Ny alarobia teo anefa, nisy hetsika tany an-toerana ho fandaminana ity raharaha ity. “Hetaheta ny hisian’ny filaminana. Lasa tabataba ety aminay hatramin’ny nisian’ny orinasa sinoa. Afaka mifanatona sy mifampiresaka ny rehetra. Samy Malagasy ary samy tompon-tanindrazana ka tsy tokony hifanaratsy sy hifankahala”, hoy ny fanazavan’ny solontenan’ny mponina, Ratsimbarinarivo Gilbert, tamin’izany. Mangataka fifampiresahana sy fifandaminana eo amin’ny samy mponina ry zareo ao Soamahamanina. Nijoro ihany koa ny fikambanan’ny tompon-tany Andravoribe, izay milaza fa tokony hajanona tanteraka ny tabataba mba ahafahana mampandroso ny tanàna. “Ataovy ny asa sosialy na misy aza ny fanajanonana ny orinasa sinoa, amin’izay samy mahazo tombontsoa ny rehetra”, hoy ny fanazavana ihany.

Anisan’ny antony nangatahan’ireto olona ireto ny fifampiresahana ny amin’ny fisian’ny fandrahonana ho faty sy fikasana handoro trano ataon’olon-tsy fantatra.

Nilaza ny sefom-pokontany ao Somahamanina, Rakotonirina Laurent, fa tonga ny andaniny sy ny ankilany mitady marimaritra iraisana. “Miantso ny fanjakana hiditra an-tsehatra amin’ny fandaminana izahay. Misy ny mahazo tombontsoa amin’ny orinasa ary tokony hojerena izany. Ao koa ireo manohitra izany ka tokony hohenoina. Aleo halamina haingana ny raharaha”, hoy izy.

Andry F.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986


<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>