Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Fidangan’ny vidin-javatra : 30.000 Ar ny saribao iray gony

$
0
0
saribao

Tsy nidina ny vidin’ny saribao eto an-dRenivohitra. Manodidina ny 25.000 Ar hatramin’ny 30.000 Ar ny vidin’ny iray gony. Efa ho roa volana  izao io vidin-tsaribao nisondrotra io, raha toa ka 15.000 Ar ny vidiny tany aloha. NambarandRasolo, mpanao saribao avy any Anjozorobe, fa nahatonga izany ny haratsian-dalana vokatry ny orana madinika amin’ny andro ririnina, sy ny tsy fahampian’ny mpiasa manao saribao.

Fa ny tena tsy nampihetsika io halafosan’ny vidiny io koa ny fisondrotry ny solika gazoala, indroa nisesy tato anatin’ny roa volana. “Azo antoka fa tsy hidina intsony io vidiny io”, hoy Rasolo.

Tena mamatsy saribao an’Antananarivo ny any amin’ny tapany atsinanana manaraka ny lalam-pirenena faharoa (RN 2) (Manjakandriana hatrany Moramanga) sy ny avy any avaratra amin’ny RN 3 (Talata Volonondry hatrany Anjozorobe).

Njaka A.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>