Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Anosizato : novonoina ny mpamily ary nangalarina ny kamiao

$
0
0
halatra

Nahazo vaovao ny zandarimariam-pirenena fa nisy halatra kamiao narahana vonoan’olona, ny talata 19 jolay lasa teo, Anosizato. Tonga teny an-toerana ny zandary ka rehefa nataony ny fanadihadiana, fantatra fa nianatsimo nanaraka ny RN7 ny dian’ireo mpangalatra. Napetraka avy hatrany ny sakan-dalana rehetra   tamin’ny RN7, Antsirabe mihazo an’i Morondava ary Ambositra mihazo an’i Fandriana. Tamin’ny 7 ora sy sasany hariva, tratran’ny zandary tany amin’ny kaominina Ivato Centre, distrikan’Ambositra ilay kamiao.

Raha mbola nanajanona ny fiara ny zandary, efa tafaporitsaka any anaty haizina ny mpivady iray, anisan’ny atidoha tamin’izao raharaha izao. Voatazona kosa ilay mpamily izay nanazava fa nantsoin’izy ireo mba hikarama hamily io fiara io mandroso sy miverina haka akondro any Vohiparara. Ity farany no nanoro fa misy naman’ireo mpivady ireo manaraka amin’ny taksiborosy avy ao afara ka voasambotra koa izy ireo. Efa natao ny fikarohana ary mbola mitohy hatramin’izao mikasika ireo nandositra ireo.

Ny fianakavian’ilay maty novonoin’izy ireo moa efa nametraka fitoriana tao amin’ny “brigade criminelle” Anosy ka omaly, tonga tany amin’ny “compagnie” zandary Ambositra ny polisy avy amin’io sampana io. Noho ny fitsipiky ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, nomena azy ireo ny raharaha satria tany no nametrahan’ny niharam-boina fitarainana voalohany.

Yves S.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>