Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Asa fampihorohoroana tany Nice, Frantsa : vehivavy malagasy ny iray tamin’ireo 84 maty

$
0
0
sary 2

 Tao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena frantsay no nitrangan’ity fampihorohoroana tany Nice Frantsa ity, afakomaly tamin’ny 11 ora sy 30 mn alina, ora aty amintsika. Teratany tonizianina mizaka ny zom-pirenena frantsay ilay tompon’antoka tamin’ny fampihorohoroana. Kamiaobe iray no nentiny namakivaky ka namantana tany amin’ny toerana nisy ireo olona marobe nitangorona nijery afomanga tao anatin’ny fankalazana ny fety. Nandeha mafy ilay kamiaobe ka voahitsakitsaka sy notrongisiny ireo olona marobe izay tsy nanampo na inona na inona. Nandriaka ny ra, niampatrampatra ny fatin’ireo olona namoy ny ainy. Nahatratra 84 ny isan’ny olona maty, ka nisy teratany malagasy antsoina hoe Razafitrimo Mino, teraka Rakotomalala, 31 taona nindaosin’ny fahafatesana vokatr’ity asa fampihorohoroana ity. Manan-janaka 3 taona sy 6 taona izy, mpamily kosa ny asam-badiny. Fantatra fa ankizy ny 10 tamin’ireo namoy ny ainy. Olona 18 kosa naratra mafy tamin’izao loza izao. Nampihetsi-po ny rehetra ihany koa ny zazakely malagasy vao valo volana very niaraka tamin’ny poussette nandritra ny fifanjevoana. Tsy hita popoka ilay zazakely satria samy nanavotra ny ainy ny olona taorian’ny fipoahana. Nandefa hafatra tamin’ny tambajotran-tserasera “facebook” ny fianakaviany taorian’izay, ka samy nanaparitaka izay ireo olona nahazo ilay hafatra. Adiny iray taorian’izay, nisy nampilaza ny fianakaviany ka hita ihany ilay zazakely velona soa aman-tsara tao anatin’ilay poussette.

Anisan’ny tanàna any Frantsa maro teratany malagasy mipetraka any Nice. Fanindroany no nisy teratany malagasy maty tamin’ny asa fampihorohoroana tany Frantsa. Nandritra ny asa fampihorohoroana ny 13 novambra 2015 lasa teo, tao Paris nahafatesana ilay dokotera vehivavy malagasy.

Efa nampoipoizana ihany ny mety hitrangana ny asa fampihorohoroana indray tany Frantsa nandritra ny fankalazana ny fetin’ny 14 jolay lasa teo. Efa nanao ny ezaka rehetra tamin’ny fiarovana ry zareo Frantsay, saingy nahita hirika hatrany ny mpampihorohoro. Efa nitonona indray ireo silamo mahery fihetsika ho tompon’antoka amin’izy ity. Trangana asa fampihorohoroana telo izay no nitranga tao Frantsa nanomboka ny taona 2015 ka hatramin’izao 2016 izao. Isan’izany ny famonoana mpanao gazetin’ny Charlies Hebdo sy ilay tao amin’ny Stade de France ary ity nitranga tao Nice, afakomaly ity. Nohamafisina, araka izany, ny fitandroana ny filaminana ao Frantsa manoloana ity asa fampihorohoroana ity.

Jean Claude sy Yves S.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>