
Saron’ny zandary nanao sakana avy ao amin’ny kaompanian’i Betroka teo anelanelan’i Miarisomby sy Bemaha, kaominina Ankelivaho Betroka, afakomaly maraina ny kamiaobe Mercedes-Benz iray feno rongony natao tanaty gony miisa 250 izay milanja eo amin’ny 20 kg ka hatramin’ny 25 kg avy. Avy any atsimo ity kamiaobe ity ary nikasa hiakatra aty an-drenivohitra, kanjo izao tratran’ny zandary izao. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary any an-toerana, nasaina nijanona ilay kamiaobe, saingy tsy nety nijanona fa vao mainka nirifitra nandositra. Nanara-dia avy hatrany ny zandary ka tsy maintsy nandray fepetra ka nitifitra ny kodiaran’ny fiara nony tonga teo Ranofotsy Lagnana vao nijanona ny fiara. Vokany, tsy afa-nanohy ny lalany intsony ny mpamily sy ny namany. Nanararaotra ny andro maizina ny mpamily sy ireo olona niaraka taminy ka lasa nandositra. Fantatra tamin’ny alalan’ny taratasin’ny fiara fa monina ao Fianarantsoa ny tompon’ny fiara fa olona aty an-dRenivohitra kosa ny tompon’ireto zava-mahadomelina ireto.
Nentin’ny zandary nankany amin’ny tobiny ny fiara rehefa avy nosoloina ny kodiaran’ny fiara. Nodorana, omaly teo anatrehan’ireo tompon’andraiki-panjakana ao Betroka kosa ireto rongony ireto.
Jean Claude