
Mitohy indray ny ataony, rehefa nijanona fotoana kely, ny « Clic Kara’Ok ! » ao amin’ny fokontany III J, Soanierana, Antananarivo –IV. Manao izay tiany hatao, tsy misy fanajana fiarahamonina.
Mijaly ny mponina amin’ny manodidina misy ity “Clic Kara’Ok !” ity. Maneho fa tsy misy mampihemotra azy amin’ny ataony ny tompony sy ireo mpiaraka aminy. Na efa nametraka fitarainana tao amin’ny fokontany III J aza ny mponina amin’ny manodidina hatrany amin’ny kaominina, izao miverina misokatra izao indray ary manao ny fomba ratsiny amin’ny tabataba tsy misy farany manomboka amin’ny 9 ora alina eo ho eo hatramin’ny 2 ora, misy fotoana aza maharitra hatramin’ny 4 ora maraina. Tsy misy alahady, tsy misy alatsinainy, mandritra ny herinandro.
Ny mahagaga mihitsy aza, nahoana ny filoham-pokontany ao amin’ny III J manaiky manome alalana amina toerana tsy tokony hanaovana izany ? Izay tonga any amin’io filoham-pokontany io miveri-maina daholo. Ankoatra ny fokontany, efa nametrahana fitarainana ny manam-pahefana amin’ireto toerana ireto : kaominina Mahamasina, firaisana faha-IV sy ny polisy ao Mahamasina. Izao mbola miverina manao ny ataony izao ihany ry zareo ary mirehareha amin’izany mihitsy.
Ankoatra ny kotaba tsy misy farany, atahorana ihany koa ny tsy fandriampahalemana noho ny fisian’ny toerana toy izao. Hatramin’ny sisin-dalana mbola faritan’izy ireo ho azy, tsy misy fiara afaka miantsona. Koa tokony handraisana fepetra tsy mila fanazavana ny fanakatonana ny toerana toy izao izay tsy ara-dalàna ny fanokafana azy, toy ireny natao teny Ambohipo ireny.
R. Mathieu