Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Kidnapping teny Ivato : Karana roalahy nalain’ny jiolahy nirongo Kalach an-keriny

$
0
0
VENTRE vm

 Raha iny nivoaka ny toeram-pisakafoanana iray, teny Antanetibe Ivato iny indrindra, no norahonan’ny jiolahy nirongo basy Kalachnikov,  ary nalain’izy ireo an-keriny ireto karana roalahy, ny alin’ny alarobia teo. Mbola tsy hita izay nanjavonan’izy ireo hatramin’izao.

 

Rehefa mafampana ny toe-draharaham-pirenena eto amintsika, miverina ny raharaha Kidnapping. Karana roa lahy indray nisy naka an-keriny teny Antanetibe Ivato, ny alarobia alina teo, tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany. Voalaza fa avy nisakafo tamin’ny toeram-pisakafoana iray teny an-toerana izy ireo no notomirin’ireo jiolahy. Natonina telo lahy manao akanjo misarontsarona tahaka ny an’ny mpitandro filaminaan, nitondra Kalachnikov ireo karana roa. Voambana basy ary noterena hiditra tao anaty fiara iray izy ireo, ary nentin’ireo olon-dratsy nirifatra nitodi-doha ho an’ny Mandrosoa Ivato. Nampandre ny zandary avy hatrany ny olona nahita ity toe-javatra ity. Tonga teny an-toerana ireto farany, nanao ny fanarahan-dia saingy efa nanjavona ny lalana nomban’ireo jiolahy.

Araka ny fanazavana azo, nahitana fiara mitovy amin’ny Renault Express teny an-toerana, nentin’ireo jiolahy. Toy ny efa nandrasan’ireto farany hivoaka ny trano fisakafoana mihitsy ireo Karana roa lahy. Tao anatin’ny minitra vitsy monja nisehoan’izany rehetra izany. Na ireo olona teny Antanetibe Ivato aza, tsy nahatsikaritra ny zava-nitranga raha tsy efa teny ny zandary.

Mandeha ny fanadihadiana momba ity fakana an-keriny ity. Voalazan’ny mpitandro filaminana fa mbola tsy misy ny fitoriana mipetraka eny anivon’izy ireo. Tsy mbola fantatra mazava ny mombamomba ireo Karana roa lahy nisy naka an-keriny ireo sy izay vola mety takian’ireo olon-dratsy.

Resaka mbola mifamahofaho

Resabe tsy mbola voavaly mazava tsara eto amintsika ny momba ny fakana an-keriny, izay miverimberina matetika, arakaraka ny toe-draharaham-pirenena. Vao tsy ela akory ny fakana an-keriny karana, teny Andravoahangy. Nangingina ho azy teny ny raharaha. Ny tany Antsirabe ny volana, marsa lasa teo, nakan’ny jiolahy ny teratany karana iray. Tamin’ity, mba tratra ireo olon-dratsy nahavanon-doza.

Andro vitsy koa, nanomboka niakatra ny feo momba ny mpitsara Jacquis, tanana am-ponja vonjimaika, izay takian’ny sendikan’ny mpitsara ny amotsorana azy. Raharaha manahirana, tsy ahitana mangirana ny momba ity fakana an-keriny eto amintsika ity. Ireo tompon’andraikitra rahateo tsy manan-kambara momba izany. Mijanona fotsiny eo amin’ny mandeha ny famotorana ny raharaha, ary ampinginina moramora any.

Yves S.

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>