
Omaly vao maraimbe, vory lanona teo anoloan’ny biraom-paritra misahana ny fitaterana an-tanety ireo mpitatitra mampiasa ny lalam-pirenena faharoa sy fahadimy, sampana rezionaly, izay ahitana kaoperativa hatramin’ny zato mahery. Tonga ihany koa ny mpitandro filaminana niatrana am-bava-basy.
Amin’ ireto mpitatitra, karazan-javatra dimy no antony nahatonga ny fitokonana. Tsy fanekena ny fampiharana sazy diso tafahoatra amin’ny mpamily sy tompon’ny fiara. Eo koa ny fampiakarana ny saran’ny « licence » sy fahazoan-dalana manokana. Ankoatra izany ny fanasaziana ny kaoperativa sy fiara tsy manao lozam-pifamoivoizana ary ny faharatsian’ny lalam-pirenena fahadimy.
Taorian’ny fihaonan’ny solontenam-panjakana sy ireo filohana kaoperativa tsirairay, fantatra fa nilefitra aloha ny fitondram-panjakana. « Ahantona aloha ny fampiharana ny sazy mandra-pahatonga ny fihaonana manaraka: ny zoma 11 jona ho avy izao. Aorian’ izay, tsy maintsy hampiharina ny lalàna » hoy ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Fitanerana, ny kolonely Rakotondrazaka Andry.
Sajo