
12 tapitrisa Ar. Tsy dia hoe volabe manao ahoana ity very tao amin’ny lapan’ny primatiora, Mahazoarivo, ny alin’ny 30 mey lasa teo ity. Lapam-panjakana izay heverina fa tokony ho tsara ambina. Mahavariana koa fa tsy varavarana nopitsohina, na rindrina vaky kanefa dia nanjavona izany vola izany. Noteren’ny lehibeny hanolo ny vola ireo miaramila mpiambina, na dia tsy misy akory aza ny famotorana natao, ka manangam-bovona.
Mahavarina sady tsy mampino ! Any amin’ny toerana heverina fa tsara ambina sy avo lenta indrindra no tafiditry ny olon-dratsy (raha nisy), ny alatsinainy alina teo, teny amin’ny primatiora Mahazoarivo. Nisy nangalatra ny volabe tao amin’ny biraon’ny « trésorerie » an’ny primatiora. Ireo mpiasa sivily tonga niasa maraina no voalaza fa nahita izany fahaverezam-bola izany. Araka ny vaovao azo, tsy nisy vaky trano, tsy nipiaka ny fanalahidin’ny toerana nisy ny vola. Nampandre ny tompon’andraikitra ireo mpiasa sivily noho izany. Tonga teny an-toerana nanamarina ny zava-nisy ny tompon’andraikitra ary nandray fepetra avy hatrany. Tamin’izany no nanapahan’ny tompon’andraikitra, araka ny vaovao voaray hatrany, fa hanao taratasy fifanekena izay miaramila rehetra niasa tamin’ny fotoana nahavery ny vola io ny hanolo izany.
Misy zandary sy polisy kosa anefa miasa eny an-toerana ka tsy nanaiky ny handoa io vola io. Mitaky ny hanaovana ny fandihadiana ireto faran, noho izany, sady nilaza fa tsy miaramila irery ny niasa tamin’io andro io fa nisy polisy sy zandary, ary ireo olona sivily. Voalaza anefa fa tsy manaiky ny hanaovana fanadihadiana ireo mpiasa sivily ny lehibe ao an-toerana. Manana ahiahy avy hatrany ireo miaramila manoloana izao fanapahan-kevitra izao.
“Tokony hatao fanadihadiana avokoa ny rehetra, hatramin’ireo sivily mitazona ny birao. Amin’ny fomba ahoana no ahavery ny vola kanefa tsy misy vaky ao an-toerana”, hoy ny filazan’ireo miaramila eny an-toerana. Vokatr’izany, raha ny vaovao voaray, milaza ny tsy hanaiky handoa ny vola ihany koa ireo miaramila, ary mihevitra ny hikononkonon-javatra manoloana izany.
Toe-javatra mahalasa saina
Mifanandrifindrify amin’ny toe-draharaham-pirenena somary mafampana eto amintsika ity raharaha ity. Any amin’ny toerana saropady rahateo no misy mahavita mangala-bola antapitrisany. Tsy fananam-bola ho an’izay nangalatra, sa hevitra niniana atao hampisavorovoroana?
Raha halatra tsotra tokoa, misotro ny aleoko maty ihany ilay mpangalatra satria tsy maintsy ho tratra. Mety ny ao an-trano ihany no mpamosavy malemy? Na izany aza, mitavozavoza sy gaboraraka ihany ny fanaraha-maso sy ny fiambenana ny ao anatin’ny primatiora raha izao. Tafiditry ny olona avy any ivelany anaty lapam-panjakana? Ka raha izany, misy ny fanafihana, inona ny zava-doza mety hitranga? Aiza ho aiza ny karazana aro-fenitra amin’ny fiarovana ny lapa? Raha fampisavorovoroana tsotra izao ity tranga ity, mety hahomby ihany raha tsy misy ny fepetra ambony kokoa raisin’ny tompon’andraikitra.
Yves S.