
Teboka efatra lehibe no nantitranterin’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Commissaire divisionnaire de police, Anandra Norbert, nandritra ny lanonana famoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo Inspecteurs de police sy agents de police tao amin’ny Sekolim-pirenena ho an’ny Inspecteurs de police sy agents de police (Eniap) Antsirabe, ny zoma teo. Isan’izany, ny fiarovana ny ain’ny olona sy ny fananany mba hahafahany miasa sy mamokatra, ny ady amin’ny asan-jiolahy, ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena. Nitodika tamin’ireo polisy vaovao izy, nanome anatranatra sy toromarika amin’ny fanatanterahana ny asa satria polisy vaovao, toe-tsaina vaovao, mitaky fomba fiasa vaovao.
Nisalotra ny anarana hoe “Hasina” ireto polisy nahavita fiofanana tao amin’ny Eniap Antsirabe ireto. Miisa 97 ny Inspecteurs de police raha 550 kosa ireo agents de police. Nitarika ny lanonana ny minisitry ny Filaminam-bahoaka notronin’ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena sy tale isan-tsokajiny eo anivon’ny minisitera. Tonga nanotrona ny lanonana ihany koa ny minisitry ny Filaminam-bahoaka teo aloha.
Jean Claude