
Hatreto, mbola tazonina etsy amin’ ny Toby Ratsimandrava ireo olona maromaro, ahina ho mikotrika fanakorontanana sy fanonganam-panjakana. Anisan’izany ilay mpilalao sarimihetsika, ny kaporaly Bob, sy mpitarika fikambanana politika mpanentsika ny eny ambany tanàna ary mpanao politika iray. Ao anatin’ny fanadihadiana lalina ny eo anivon’ny mpanao famotorana. Tsy manaiky ho nandray vola avy amin’ny mpanao politika malaza iray ireo olona nosamborina ireo. Manizingizina miaraka amin’ny porofo eny an-tanany kosa ny zandary fa tafiditra amin’io raharaha fikasana hanongam-panjakana io ary ao ambadik’izany io mpanao politika iray io.
Ankoatra izany, mbola nisy nifampitadiavan’ny mpitandro filaminana, tokony hosamborina koa teny Ivato, omaly. Tsy fantatra mazava anefa io olona karohina io.
Etsy andaniny, tokony ho tapitra anio ny fe-potoana 48 ora ahafahan’ny zandary mihazona azy ireo etsy Andrefan’Ambohijanahary ka hatolotra ny fampanoavana ny tolakandro izao.
Mety havotsotra noho ny fitokonana ?
Mbola anaty fitokonana anefa ny mpirakidraharaha ka tsy mbola fantatra ny ho tohiny. Raha tsy mandray azy ireo ny fitsarana noho izany fitokonana izany, mety havotsotra ireto olona maromaro nosamborina ny asabotsy teo ireto saingy hamoahan’ny minisiteran’ny Atitany didy tsy fahazoana mivoaka any ivelany.
Tsiahivina fa anisan’ny nisamborana azy ireo ny fiahiahiana ho mikononkonona hetsika fanonganam-panjakana. Ahina ho nomena volabe hanaramana olona ho amin’ny fanakorontanana izy ireo, ka anisany ity mpilalao sarimihetsika ity. Mifandray aminy amin’izany paikady rehetra izany sy ny resaka fanomezana vola ilay mpanao politika vehivavy.
Andrasana ny ho fivoaran’ity raharaha iray ity.
Randria