
Fantatra fa ireo mpiharalahy antsoina hoe Barkaoui ireo nanao vy very ny ainy nanapoaka baomba tany Bruxelles afakomaly, ka nahafaty olona 31 sy nandratra olona 270. Khalid kosa ilay olona fahatelo izay tafatsoaka, ary karohina fatratra amin’izao fotoana izao.
Hita tao anaty fanariam-pako ihany koa ny ordinatera iray an’i Ibrahim El Bakraoui, iray amin’ireo mpirahalahy nanao vy very ny ainy. Hita tao amin’ity ordinatera ity ny resaka farany nataony sy notehiriziny talohan’ny nanaovany ity asa ratsy ity. Anisan’izany, ohatra, ny filazana fa “karohina hatraiza hatraiza izy ary tsy hitany izay alehany”.
Miteraka resabe amin’ny mety tsy misy ifandraisany amin’ny filazan’ireo jihadistes silamo fa izy ireo no tompon’antoka tamin’iny fanapoahana baomba iny. Ankoatra izay ihany koa, nahita baomba milanja 15 kilao ireo polisy belza rehefa nanao fisavana toerana maromaro tany an-toerana.
Efa manomboka fantatra ihany koa ny momba ireo olona maty sy naratra tamin’ity antambo ity. Misy teratany frantsay enina tamin’ireo. Tsy mbola fantatra ny mety hisian’ny teratany malagasy. Tsy nahenoam-baovao momba ity raharaha ity koa ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny.
Yves S.