Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Bazary kely – Toamasina : resam-behivavy nampiady an-tsena ny mpirafilahy

$
0
0
DIGITAL CAMERA

Resa-behivavy niafara tamin’ny ady, tany amin’ny Bazary kely Toamasina, ny talata lasa teo. Samy mpikarama mpibata entana sy fanodinana toton-kena any amin’ny tsenan’ny Bazary kely Tanambao ireto roa. Raha vao samy naheno fa efa samy iarahan’ny tovovavy iray izy roa lahy, ka niafara tamin’ny totohondry . Tsy nahazaka an’ izay resaka izay ny andaniny satria nolazain’ny ankilany fa nanasa ny viliany sy nandimby -toerana azy. Samy nandeha teo ny fomba fitenena rehetra hifandresen-dahatra, hatramin’ny hoe: “Tsy tiany intsony ialahy matoa niala izy, tsy mahavelona azy ianao”; “Efa leo kosa aho ka izay no nialako taminy”, hoy ny an-daniny. Vokany, niakatra ny marimpana, ny mpandrisika rahateo manezaka mafy mba hifampitady amin’ny totohondry ny roa tonta, hany ka raikitra izany teo amin’ny ranompotaky ny Bazary kely. Samy naratra ny andaniny sy ankilany, izay nisaraka ho azy teo. Faly ery ny olona nijery ity sarimihetsika tsy andoavam-bola ity.

Sajo


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>