Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Fenoarivobe : olona 32 nanao trafikam-basy sy bala naiditra am-ponja

$
0
0
Fenoarivobe

 Tsy afa-bela! Nidoboka am-ponja avy hatrany ireo olona miisa 32 nahatrarana basy sy bala tao Fenoarivobe. Basy sy bala ampolony maro no tratra tany amin’ireo olona voarohirohy ireo nandritra ny hetsika nataon’ny zandary tany an-toerana tapa-bolana lasa izay…

 

Basy P.A roa sy bala 9 mm miisa telo ary P.A vita gasy miisa 12, basim-borona miisa 15 tsy misy taratasy fahazoan-dalana hitazona sy bala miisa 80, basilava vita gasy miisa 11 no indray tratran’ny zandary tany amin’ireo olona 32 voarohirohy ireo tany Fenoarivobe, ny tapaky ny volana septambra ity. Araka ny fanazavan’ny zandary, nisy ny hetsika manokana ho fampandriana fahalemana nataon’izy ireo tany amin’ny distrikan’i Fenoarivobe, izay notarihin’ny kaomandin’ny kaompania ao Fenoarivobe, ny Kapiteny, Rakotonarivo Aromahefa Bernard Tonny nandritra ny tapaky ny volana septambra teo.

Nahomby tanteraka ny hetsika nataon’ny zandary satria manaporofo izany ny fahatrarana ireo fitaovam-piadiana mahery vaika ireo, araka ny fanazavana. Taorian’ny famotorana nataon’ny zandary no nahatrarana ireo olona miisa 32 ireo izay efa naiditra am-ponja avokoa. Nanamafy ny zandary fa hitohy hatrany ny ezaka ataon’ny zandary ho fampandriana fahalemana ny tanàna.

Rava ny kizon’i Vodivato

Nandritra ny telo andro (13-14-15 septambra teo) vao ravan’ny zandary sy miaramila manao ny “Opération Fahalemana” ny kizo iray antsoina hoe Vodivato ao Fenoarivobe. Voalaza fa toerana fanafenan’ny dahalo ny omby halatra ity kizo ity. Nisy ny fifandonana teo amin’ireo dahalo sy ny mpanao Opération nandritra ny fandravana ny kizo. Voasambotry ny zandary ny dahalo iray mpiandry ny omby halatra. Azon’ny zandary koa ny omby miisa 204 ka ny 119 naiditra “fourrière”. Naiditra am-ponja kosa ilay dahalo ary mitohy ny fikarohana ny namany.

Jean Claude


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>