![]()
Ankoatra ilay vehivavy maty nianjeran’ny gonim-bary noentina kamiaobe tapaka hisatra tao Andapa, afak’omaly hariva. Ampolony maro ihany koa no naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana nisesisesy tamin’ny lalam-pirenena tao anatin’ny telo andro. Kamiaobe mpitatitra entana avy any Antalaha hihazo an’Andapa afak’omaly hariva tokony ho tamin’ny 5 ora teo no niharan’ny lozam-pifamoivoizana tao amin’ny fokontanin’Ambodihamba, alohan’ny hidirana Andapa. […]