![]()
Isan-taona, mizara ny voka-pikarohana ataon’ny mpianatra avy amin’ny fahalalana norantovina any an-dakilasy ihany ny tomponandraikitry ny lycée tsy miankina, ny R.H Daniel eny amin’ny fokontany Ambohipanja, kaominina Ankadikely Ilafy. Miezaka mampitaovana ny sekoly ny mpiandraikitra ahafahan’ny mpianatra manao fampiharana ny lesona. Indroa isan-kerinandro ary ivelan’ny ora fianarana mahazatra ny manao fampiharana sy fikarohana ny mpianatra, […]