
Mihazakazaka ny raharaha ! « Nalaina », « nosamborina » tany Toamasina ! Tsy niandry ela fa nampidirina am-ponja vonjimaika (MD) avy hatrany, omaly ilay mpitsara mahabe resaka, ahina ho voarohirohy ho tafiditra amin’ny fakana an-keriny tany Toamasina. Tsy nampahafantarina kosa izay fonja nihazonana azy io.
Nambaran’ny eo anivon’ny tonia mpampanoa lalàna, omaly tolakandro, fa nampidirina am-ponja vonjimaika taorian’ny famotoran’ireo mpitsara ambony natao azy tetsy amin’ny fitsarana an-tampony Anosy ilay mpitsara. Nohamafisin’ny lehiben’ny fampanoavana (Procureur de la République), Razafimelisoa Odette Balisama, etsy Anosy, omaly raha nihaona fohy tamin’ny mpanao gazety ny tenany nialoha izany fampidirana am-ponja vonjimaika izany fa anjara asan’ny fitsarana an-tampony (Cour supreme) ny manao ny famotorana ity mpitsara ity. «Samy hafa ny fanenjehana. Anjaranay ny manenjika ireo olon-tsotra amin’io raharaha io », hoy izy.
Nohamafisiny fa mitohy eto Antananarivo ny famotorana ary iarahan’izy ireo amin’ny polisin’ny BC izany. Efa nampiakarina, afakomaly ihany, eto Antananarivo rahateo ilay mpitsara rehefa nalain’ny polisy tany Toamasina. Niangavy ny mpanao gazety anefa ny tenany, manoloana ity raharaha iray ity. « Avelao aloha izahay hanao ny asa. Misy rahateo ny tsiambaratelon’ny famoaham-baovao. Ho avy ny fotoana hilazana amintsika azy. Tena mijery an’io am-pahitsiana izahay », hoy ihany izy. Nisaorany manokana ireo mpitsara sy rantsam-pitsarana rehetra any Toamasina tamin’ny nanaovan’izy ireo ny ainy tsy ho zavatra tamin’ny fanadihadiana sy famotorana rehetra natao.
Tsy mitombina ny filazana fa nosamborina ilay mpitsara
Nialoha ireo rehetra ireo anefa, izany hoe, ny antoandron’ny omaly, nitondra fanazavana momba ity raharaha nahatafiditra ny mpitsara namany ity ny eo anivon’ny Sendikàn’ny mpitsara (SMM), omaly tetsy Anosy. « Tsy nisy mihitsy ny fisamborana mpitsara tao anatin’iny raharaha fakana an-keriny tany Toamasina iny. Nampanantsoina hatao fanadihadiana ny mpitsara iray », hoy izy ireo. Nohamafisin’izy ireo fa niainga amin’ny fahazoan-dalana hanenjika olona iray (autorisation de poursuite) avy amin’ny minisitry ny Fitsarana mba hampazava ny amin’ny maha tafiditra na tsia ilay mpitsara amin’ilay raharaha izany. « Tsy nosamborina (arreté) na nisy didy fampisamborana fa didy mampaka (mandat d’amener) ilay izy », hoy ihany izy ireo.
Lalaovin’ireto mpitsara ireto amin’ny voambolana indray ny raharaha. Samy hafa ny hoe nosamborin’ny polisin’ny BC tany amin’ny misy azy ilay mpitsara sy ny hoe nantsoina na nampanantsoina amin’ny alalan’ny taratasy fiantsoana tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana, halaina am-bavany izy. Tsy midika efa ho fisamborana ny nakana azy tany aminy ?
Ny marina sy ny olona tafiditra amin’io raharaha io
Ankoatra izany, nohitrikitrihin’ny SMM fa mipetraka ho fiahiahiana ity mpitsara ity ny raharaha. Nanterin’izy ireo koa fa tsy mitombina ny nambaran’ny gazety fa i Lejao no nanondro io mpitsara ho anisan’ireo tafiditra amin’io « kidnapping » io. Nialoha ireo ny nilazan’ny SMM, herinandro lasa fa tsy misy mpitsara izany voarohirohy…
Etsy andaniny, nanamafy ny maha anisan’ireo mpiray tsikombakomba azy ny fanehoan-kevitra any anaty tambajotran-tserasera rehetra any. Eny, fa na ireo niditra an-telefaonina mivantana amin’ireo haino aman-jery eto an-dRenivohitra aza.
Na eo aza anefa izany rehetra izany, efa any am-ponja vonjimaika aloha izany ity mpitsara mahabe resaka ity, an tsy voafaritra mazava aza ny fonja ihazonana azy. Andrasan’ny maro ny ho tohiny sy ny marina rehetra tao ambadik’izany ary ireo olona tafiditra amin’ity raharaha ity. Nisy aina nafoy sy resa-bola ary savorovoro samihafa rahateo tao anatin’izy io ary naharitra tokoa.
Synèse R.